Edito

Manavotra sa milalao aim-bahoaka ?


  • Alakamisy 21 Janoary 2021

Fomba fiasa sy paikady toa efa hita taratra teto amin’ny firenena nanomboka tany amin’ny tetezamita ny famoronana olana,

 

 

 dia mitondra vahaolana kely avy eo, hany ka tahaka ny hoe anjely mitondra fahagagana kanefa fihemorana no hita. Io iaraha-mahita io, ohatra, ny resaka vidin-jiro, izay zava-dehibe aloha ny hoe: tsapan’ny Fanjakana izany, fa mafy sy mangidy ary tsy zakan’ny olona. Nakarina ny hidangana ny vidiny, avy eo milatsaka ny didy hoe haverina amin’ny teo aloha. Ny eo ihany izany no eo rehefa halefa lavitra ny saina, saingy toy ny hoe tena nahita vahaolana goavana sy manavotra vahoaka. Maro ny zavatra, toy izany, ary raha miverina amin’ny tantara tany aloha mihitsy isika, toy ny lafiny toekarena, dia niainga tany amin’ny harin-karena faobe ambony indrindra aty Afrika nahatratra 7,1% isika, nitotongana tany amin’ny tetezamita, niakatra kely tamin’ny Fanjakana teo aloha, izay nahatratra 5,4%. Teo amin’ny 2020 niiba -4,2%. Handeha indray ny fanamby taorian’ny tsy fahaiza-mitantana ankoatra ny fiantraikan’ny krizy tsy voafehy, fa hakarina 4,5% amin’ity taona ity. Mety tsy ho tratra io, saingy mety mba hiverina hiabo 1% na 2%, dia handeha indray ny fandokafan-tena, fa raha niiba teo aloha efa miabo, kanefa very lavitra hatrany amin’ny tany aloha. Fomba fiasa sy fiady ao anatin’ny paikady hoenti-milalao saim-bahoaka izany na “stratégie de manipulation de masse” izany. Ny hita sy tsikaritra ihany koa, dia toa tsy hita na hodiana tsy hita ny olana samihafa, ary rehefa mirehitra sy mafana ny afo vao mikorapaka: grevin’ny fampianarana, olan’ny fadin-tseranana, olan’ny jiro sy rano, kere any Atsimo,… Tena manavotra ve sa sanatria milalao aim-bahoaka ny Fanjakana? Tena tsy manam-bahaolana sa misy ihany fa rehefa tena mirehitra ny afo vao vonoina amin’ny vahaolana mba hampisehoana amin’ny rehetra fa tena miasa ?

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT