Enim-bolana sahady izay no lasa tamin’ity taona 2011 ity, nefa mbola ny omaly tsy niova raha ny famahana ny krizy.
Nitombo ny isan’ny vondrona politika saingy tsy misy afa tsy 2 mazava ny fironana dia ny manohana sy manohitra ny fitondrana tetezamita izay tsy mbola nahazo fankatoavana iraisam-pirenena ary sahirana mitady vola hatramin’izao. Mbola ny fanaovana kabary ambony vavahady sy vava tsy ambina ary fanenjehana sy fanagadrana miampy fandrahonana aloha hatramin’izao no mampalaza ny tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina. Fitsapan-kevi-bahoaka tsy lavorary sy kitoatoa no mba vita tao anatin’ny roa taona sy telo volana, miha mitombo ny fahantrana, voalaza fa zaza Malagasy 230 isan’andro no matin’ny tsy fanjarian-tsakafo, tombanana ho 20 000 hatramin’izao ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba very asa ary mbola mivezivezy etsy sy eroa sao mba misy mandray. Nilokaloka anefa hatramin’ny 2009 ny FAT fa tsy tokony ho olana be ny fanapahan’ny Amerikanina ny AGOA, dia izao iaraha-mahita izao ny voka-dratsiny ary tsy misy mihitsy ny politika avy amin’ny governemanta hanampiana ireny olona very asa ireny fa resaka fotsiny no betsaka.
Enim-bolana izay no lasa tamin’ity 2011 ity, fa mbola ankamantatra ny amin’ny fanatanterahana ilay sori-dalana fa dinika farany isaky ny iray volana no atao. Firenena maro no efa notetezina, izao aza dia hiaka-dapa any amin’ny ONU any
Nahitsy ny taratasy nosoratan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa tsy azo itokisana ireo mpanelanelan’ny SADC nalefa aty Madagasikara satria tahaka ny mitongilana any amin’ny ankolafy Rajoelina mpanongam-panjakana izany, ary azo hanaporofoana tsara izany ny nanatrehan’ny Dr Simao ny matso teny Mahamasina. Azo eritreretina ary ve fa hanatrika ny hetsiky ny ankolafy 3, izay azo ambara koa hoe vahoaka malagasy eny amin’ny Magro ity mpanelanelan’ny SADC ity ? Efa tena maro be ny resaka any ambadika mandeha momba an’ny Dr Simao ka nahatonga azy nanova fomba fiasa tanteraka io, ka tena nanohana tsotra izao ny FAT. Ny marina moa tsy mba maty ka amin’ny fotoana mahamety azy dia mety hipoitra ihany ny nafenina rehetra satria amin’ny politika dia tsy misy kisendrasendra izany ary misy
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.