Edito

Manary lalàna sy alalana


  • Talata 22 Aogositra 2017

Veloma lava ve izany ny fampiharana araka ny tokony ho izy ny lalàna sy ny fanomezana alalana amina lafin-javatra maro eto amin’ity firenena ?


 Ary mandra-pahoviana no mbola hifandrangitra sy hifampihantsy tahaka izay iainana hatramin’izao hatrany ireo hery politika mifanandrina mivantana eto amin’ny firenena ? Tsingerin-taona no nanakanana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny antokony tsy hiditra tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina sy tany Mahajanga. Mbola nandritry ny fankalazana tsingerin-taona koa no nisedrany antsojay tao Antsiranana farany teo. Toy ny mahatsikaiky ny miheritreritra ny zava-misy ary mampanontany tena hoe fitondrana inona loatra izao fitondrana izao no dia difotry ny tsy fahatokisan-tena ankehitriny ? Na vovonana politika efa nilaza mazava fa tsy hanongam-panjakana fa hampiseho fotsiny hoe afaka maneho hevitra eto amin’ny firenena anio, izany hoe mety hanatsara ny endriky ny fitondrana aza, dia nosakanana koa tamin’ny ora farany. Tsy vitan’ny nanary lalàna tamin’ny alalan’ny tsy fanarahana izany fotsiny ny fihetsika hasehon’ny fitondrana ankehitriny fa na ny alalana izay midika fampanajana zo koa aza dia hita miharihary fa tsy omeny intsony afa-tsy ho an’ireo pomba azy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT