Edito

Manary fotoana


  • Zoma 23 Jona 2017

Vola ny fotoana, hoy ry zareo kelimaso. Nahita koa ry zareo be kintana fa mitombina izany fijery izany ary dia nilaza izy ireo fa tsy misy zava-dehibe mihoatra io fotoana io.

Vokany, lohalaharana amin’ny firenena matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany amin’izao fotoana izao ny amerikanina ary manarakaraka azy ao ny sinoa sy ny japoney satria tsy mahay manary fotoana toa antsika. Iaraha-mahita ny zava-misy iainantsika efa teo aloha teo ary zary lasa riba mandraka ankehitriny ity raha tsy mitokona tsy mahazo ny ampahany amin’izay iriany ity. Ny mahagaga anefa dia azo atao ihany hay ny manome fa maninona no dia andrasana hitaky sy hampifilafilaina lava izao hatrany vao mba omena fahafaham-po kely dia kely ireo vahoaka izay efa miseho miharihary fa na ny vidin’ny entana ilainy amin’ny andavanandro aza efa mila tsy ho zakany intsony ? Ny hany kely hahafahany manakatra ireny indray aza no kasain’ny manam-pahefana hahena. Niharihary io amin’ny olana misy eo anivon’ireo mpianatry ny anjerimanontolo toy ny ENS sy ilay saram-pisoratan’anarana midangana be. Hatramin’izao koa ve dia tsy mbola  voavaha tanteraka ihany ireo olana sendikaly isan-karazany fa mbola hiandry ny ladoany hitokona koa ? Manary fotoana amin’ny fitaizana fitokonana foana izany no ho asa eto ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT