Edito

Manary dia


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Mafy ny fiainana. Mampikaikaika ny vidin’entana eny an-tsena. Tsy misy dikany intsony amin’izao fotoana izao izany 20.000 Ariary izany fa efa tokony ovaina hoe tapak’andro Ariary no iantsoana azy.

Santionany amin’ny fitarainan’ny vahoaka malagasy ankehitriny manoloana ny tsy fahazakany intsony ny zava-misy eto amin’ity firenena ity izany izao na dia misy miharo vazivazy zaritenany aza ny sasany. Dia misy milaza moa hoe na dia eo aza izany fitarainana rehetra izany dia mahagaga fa rehefa andro fety na tsy fiasana, toy ny hita ny alatsinain’ny Paska teo, fa tena nitohana ny fifamoivoizana amin’iny lalam-pirenena faha 7 iny sy ireo lalana ahafahana misinda kely ny renivohitra. Toa manam-bola hitsangatsanganana sy hirevena foana ilay malagasy, hoy ny fanontaniana mipetraka anefa? Dia lasa saina moa ianao hoe fa nahoana tokoa ary? Satria ve izay ilay hoe efa zatra miaina anaty tsy fanjariana isika, hoy ny mpandraharaha sasany? Nanomboka ny taona 2009 no nankaty io kolontsainan’ny revy io no tena hita ho nisongadina. Nahazo fitondrana rahateo moa ny mpanafana lanonana fahiny ka toa tsy mahagaga tokoa angamba! Samy mahatsapa ihany, indrindra, rehefa tafiditra anatiny, hoy ny fitenin’ny tanora izay ny tsirairay, rehefa hanontaniana dia samy saika mamaly hoe mba hadinodino kely indray aloha ny sorisori-piainana an-davan’andro. Aleo manala azy, hoy ny sasany! Aleo aloha manala kely! Maro ireo fomba fiteny heno eny rehetra eny fa rehefa fehezina ilay tena anaty tsikalam-piheritreretan’ny tsirairay taratra ao anatin’ilay fomba fanao mihitsy dia naman’ny efa manary dia izany sisa Ramalagasy amin’izao fotoana izao. Toy ny efa tsy mahita intsony izay azo atao ka enga anie ho avy ilay maraina anatin’izao taom-pifidianana izao!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT