Edito

Manararao-paty…


  • Talata 21 Martsa 2023

Miha atomotra ihany ny androm-pifidianana satria efa taom-pifidianana ity 2023 diavintsika ity. Samy miomana sy mikofokofoka ireo rehetra mieritreritra ny hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena,

fa ny endrika isehoany no mety tsy mitovy. Efa mandeha mihitsy fangalarana depara amin’ny endriny samihafa. Ny resaka lalàna rahateo moa manjavozavo, ka dia toa betsaka no toa efa manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina. Ny fampiasana ny fitaovam-panjakana, ny volam-panjakana, ny fahefam-panjakana,… ho amin’ny tombotsoa politika moa dia efa tsy lazaina intsony fa efa tena miharihary matetika. Eny fa zavatra tokony hosahanin’ny sehatra tsy miankina aza toa japiana sy hoentina mampalaza tena amin’ny politika. Betsaka ny endrika tsy fanarahan-dalàna mandeha, kanefa vao aty amin’ny ankatoky ny fifidianana ka atao mahagaga ve raha manao izay saim-patany sy izay maha diavolona ny sainy rehefa mahazo fitondrana. Tsy te hiala eo na tsy mahomby aza, eny fa toa ny hambo-po diso toerana no hanaovana sorona ny firenena manontolo sy ny vahoaka efa hananika ny 30 tapitrisa. Rehefa avy nampahantraina noho ny tsy fahaiza-mitantana, malemy sy mitoreo, tapi-dalan-kaleha ny vahoaka, dia toa ezahina tezaina amin’ny lalan-diso, ambakaina amin’ny variraiventy, tolotolorana hanina tsy mahavita taona. Sanatria toa tanteraka ilay lalan-tsaina hoe: rehefa tiana hangina sy hipetraka fa tsy hitroatra ireo vahoaka ireo dia na atao maty voky na atao maty noana? Anjaran’ny rehetra no misaina sy maka lesona amin’izay mba tsy ho in-droa mahita ny maizina tahaka ny tain’omby natsentsina an-davabary, mba hifarana hatreo amin’izay ny fanararaotam-paty sy fambotriana ity firenena ity ka hiara-hijery ny soa iombonana amin’izay.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT