Edito

Manararao-paty !


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Manao izay danin’ny kibony amin’ny figalabonana amin’ny harem-pirenena sy ny volam-panjakana ny fanjakana HVM. Tsy misy hery sy fahefahana tena manozongozona azy hatreto, fa manjaka tokana,

ka dia manararao-paty ara-bakiteny. Ireo mitonon-tena ho mpanohitra toa mitsapatsapa sy mandroso mihemotra, ary mbola sokajiana ho malemy eo anatrehany. Ireo olobe heverina ho manana ny tanjany ara-politika tsy dia taitra fa manomana ny ho avy politikany sy ny fifidianana atsy ho atsy aloha. Ny vahoaka etsy an-daniny efa malemy sy resy hatry ny ela, ka tsy manam-potoana hijoroana sy hanoherana ny tsy rariny, ary tsy misy mpitarika rahateo. Efa tofoka sy leon’ny fitaka sy fampijahabana, raha tsy hilaza ny tamin’ny 2009 ihany koa, ka dia aleo mifitsaka. Mbola ho avy ihany anefa ilay hoe tsipaky ny miala aina aoriana ao, raha mbola izao no zava-misy sy afitsoky ny olona mitantana ny fireneny, izay efa mijoro fahavalony mihitsy amin’ny famarotana tanindrazana sy ny fanomezana vahana ny vahiny mpandroba firenena. Afaka fotoana fohy, dia re indray fa hiliba sy haneso vahoaka amin’ny lanonambe any Mahajanga ny mpitondra amin’ny alalan’ilay hoe Filankevitry ny governemanta mitety faritra, izay mazava ho azy fa an-tapitrisany maro be no ho  lany. Hararaotina hatao mandritra izany ihany koa ny kongresin’ny Antoko HVM raha ny re. Tsy hay aloha na vola madio na maloto na koa volam-panjakana mihitsy no holaniana fa dia manararao-paty e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT