Edito

Manaraka onja sisa


  • Alarobia 14 Aprily 2021

Sarotra kosa angamba tamin’ity andiany faharoa amin’ny fipariahan’ny valanaretina malaza ity ny hilaza fa voafehy ny toe-draharaha.

 

 

 Ny fanontaniana manitikitika aza dia hoe mbola mahita fomba isahanana sy itantanana ny toe-draharaha misy ve amin’izao fotoana izao ny fitondram-panjakana eto amintsika? Somary nanaitra indray ny fampatsiahivana iray izay nilaza fa mety ho manana ny vitsy an’isa voan’izany Covid 19 izany amin’izao fotoana izao I Madagasikara, raha oharina amin’izao tontolo izao saingy manana ny maro an’isa kosa anefa rehefa ampitahaina amin’ireo firenena samy afrikanina sy aty amin’ny tany mafana izay raha ny lojika dia tokony hanana tombony ara-boajanahary na dia eo amin’ny lafiny toetr’andro fotsiny aza hiadiana amin’izany aretina izany. Manginy fotsiny moa ny fananana ireo raokandro sy ravinkazo manazary isan-karazany eto amin’ity firenena ity. Ny mahagaga anefa dia toy ny manaraka onja sisa isika manoloana ny zava-misy. Dridrangilo ny fampatsiahivana amin’ny haino aman-jery ireo fihetsika sakana fa ny maty, maty hatrany ary nitombo isa niaraka tamin’ireo marary. Maha menatra na dia samy afrikanina aza ny maheno afrikanina hafa sahy milaza amina haino aman-jery iraisampirenena, vao tsy ela, fa henatra ho an’I Afrika ny filoham-pirenen’ny tena. Raha noheverina fa mba ho fepetra hafa maneho ny hambo-pom-pirenena tokoa no nasetrin’ilay voatonon’ireto mpanao famakafakana afrikanina ireto izany filazana izany dia vao mainka fihetsika toy ny maneho fitsoahana andraikitra dia ny fialantsasatra ao Ankao no niseho. Mifantoka amin’ity aretina ity sy ny manodidina azy toy ny fivarotana sy fanjifana fanafody izao ny sehatra rehetra ary isan’ny fihetsika sy fepetra tsotra andrasana amin’ny fitondram-panjakana ny famaizana ireo mpanararaotra saingy efa nisy ve hatreto? Ny olana hafa toy ny an’ny FRAM sy Paramed tsy lazaina intsony.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT