Manaraka ny tohin’ny tantara

Iny eny fa nisy kandida nitabataba


  • Alatsinainy 18 Desambra 2023

fa tsy nilamina ilay fifidianana kanefa dia

tonga teny Mahamasina ihany! Iny koa ny filohan’ny antenimieram-pirenena fa tonga nanontrona teny an-toerana. Velom-panontaniana amin’izay ny mpanara-baovao. Ireo nanaraka ny hetsik’ireo kandida miisa 11 sa 10, tsy hay intsony, avy dia niampanga ilay tsy nampoiziny ho hita teny an-toerana hoe mpamadika ilay io! Ny filohan’ny antenimieram-pirenena moa dia voatsikera koa tamin’ny fampiasana ny fitenin’ny tanora hoe “nody nitapy!”. Ho an’ireo mpanohana ilay fitondrana nanamafy orina ny toerany moa dia tena efa heno mahazatra no nameno ny vavany avy, “Eken’ny maro an’isa ilay filoham-pirenena lany!”, “Fandresen’ny malagasy manontolo iny!”, “Afa-baraka tanteraka ny mpanohitra!” sy ny tahatahaka an’izany rehetra no heno. Ilay filoham-pirenena efa teo namafisin-toerana koa dia mbola toy ny efa mahazatra ihany ny firafitry ny kabariny na dia nisy voambolana vitsivitsy niova ihany angamba! Fampanantenana hatrany toy ny efa nampoizina dia nilaza indray fa hihazakazahana ny fampandrosoana ny indostria, alalahana ny fandraharahana, amboarina ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny tariny rehetra. Ho hita eo tokoa moa hoe hanao ahoana fa dia tsy niova aloha ny fiandohan’ny tantara, raha ny hita tamin’iny fizarana na “chapitre” vaovao niainga ny sabotsy teo iny hatrany. Ilay filoham-pirenena na fitondrana nitohy nampanantena. Ny mpanohitra nijanona hatreo amin’ny fimenomenomana. Ny serasera sy ny kifetifety mipoapoaka ka dia asakasak’izay manantena fahagagana angamba! Manaraka ny tohin’ny tantara aloha angamba izany no atao mandra-pifohan’ireo tena tapa-kevitra hanavotra an’i Madagasikara.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT