Manara-petra !

Tsy mbola nisy fifidianana feno fangalaram-bato nihoatra an’ity,


  • Alatsinainy 03 Jona 2024

hoy ny kandida depiote iray teny amin’ny boriboritany faha 4 izay.

Rehefa mijery ny fisehon’ireo heverina fa endrika hoso-pifidianana na fangalaram-bato ankehitriny izay moa dia hita ho tsy nifanalavitra mihitsy tamin’ny zava-niseho tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 izany. Efa ireny miparitaka amin’ny tambazotran-tserasera samihafa ireny ny endrika tsy fitombonana tarehimarika samihafa. Samy mitaraina ho niharana halatra daholo moa ny rehetra ary dia ireny niaraha-nahita tany Tsiroanomandidy sy Tsihombe ireny koa ny fetrany. Mariky ny tsy fahazakan’ny fokonolona izay heverina ho halatra bevava izay intsony ve no anton’ilay fandoroana birao mikirakira fifidianana sa ireo mpiaradia amin’ny fitondrana no nahita fa tonga amin’ny fetra tsy ahitana irika amin’izay fahafaha-mangalatra ny mombamomba rehetra amin’ny atao hoe fifidianana izay intsony dia ny fanaovana hetsika mandoto ny sarin’ny firenena toy izany sisa no hany hahafahana miaro ny toeran’ireo mpiaradia amin’izay fitondrana izay? Hita ho manara-petra izany aloha fa tsy manara-penitra ny zava-mitranga amin’ity antsoina hoe aorian’ny fifidianana ity. Manara-petra hametra tanteraka ny tsy fanarahan-dalàna rehetra misy eto amin’ny firenena ankehitriny ve nefa sa manara-petra hampidaraboka tanteraka mihitsy ny fanjakan’ny tsy maty manota eto amin’ity firenena ity? Tsy vitan’ny androany rahateo, hoy ilay mpanao politika iray izay, ny raharaha politika.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT