Manara-penitra ny fahapotehana

Ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra ny fomba


  • Zoma 20 Jona 2025

firesaka sy fitantanana ny Firenena. Mitady izay hamaharana, mampanantena volana

aman-kintana, mijery izay fomba hampalazalazana tena sy hanodinkodinana ny saim-bahoaka,… Tiana hatao sy hososohana daholo izao rehetra izao mba hilazana fa miasa, saingy ny vokatra poakaty, tsy tena misy akony amin’ny fiainam-bahoaka,… Miharihary eny foana ilay tsy fahaiza-mijery sy mamaritra ny laharampahamehana fa zary izay maharevorevo ny saina sy ny kisehoseho ivelany hatrany no mahamaika. Nandeha ny kianja, natao ny teleferika, nafarana ny bus elektrika,… fa mitondra inona ara-toekerana sy ara-tsosialy ? Tany aloha nireharehana ny sekoly manara-penitra, oniversite manara-penitra, hopitaly manara-penitra, nanaovana fisehosehoana mipoapoaka ny Pharmalagasy,… fa mby aiza izany izao ? Tsy mahomby ny politikam-pampianarana satria ny endrika ivelany no zava-dehibe fa ny atiny poakaty, ny mpampianatra sy mpanabe marary, ny tanora vita fianarana satria tsy mahomby ny politika ara-toekarana sy famoronan’asa, ny zanaky ny mpitondra tsy sahiny ampianarina amin’ny lazainy fa oniversite manara-penitra natsangany. Ny ara-pitsaboana, tsy mahomby sy tsizarizary ny politika ara-pahasalamana, tsy matoky ny mpitsabo Malagasy, tsy matoky ny lazainy fa manara-penitra ny mpitondra fa mandefa ny zanany hianatra any ivelany tsy mandalo na manitsaka akory an’ireo eto ny ankamaroany. Ny resaka famokarana moa resabe no betsaka, hany ka ny fahavitan-tena ara-tsakafo aza ny sinoa sy arabo no antsoina fa ny teknisianina Malagasy tsinoantsinoavina. Ny vahiny no miedinedina sy mitsirika ny tany sy harena eto fa ny tompon-tanindrazana tompony mangataka atiny,… Izany no fitantanana eto ka na afaka 60 taona tokoa aza ve isika handroso raha hanaiky lembenana lava an’izao efa tsy fanjariana tsy roa aman-tany izao ? Tena manara-penitra ny fahapotehana…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT