Edito

Manao vain-drahalahy tsy maharary


  • Alakamisy 27 Septambra 2012

SOS indray no nasolo ny voin-kava-mahatratra. Soatoavina tena malagasy ny fifanampiana ary endrika isehoany ny voin-kava-mahatratra.

 Mety mandona ny fo kokoa sy miantefa amin’ny atifanahy angamba nefa rehefa ny tenim-bazaha SOS no ampiasaina, toy ny soratra hita mibaribary etsy anoloan’ny Lapa Maitso Anosikely. Miantso ny malalatanana hanome izay foiny hanampiana ireo Malagasy any atsimo sahirana amin’ny fivelomana noho ny asan-dahalo ireo Parlemantera, ahitana ny CT sy CST. Vao niainga io ketrika io dia efa tsy mitovy hevitra ny samy Parlemantera. Ny hafa milaza fa tsy tokony hojerena imaso fotsiny ny fahavoazan’ireo Malagasy any ireo ka mila tohanana, ny sasany indray mihevitra fa tsy loza voajanahary akory no miseho any atsimo ka anaovana SOS fa loza noforonina, ka tsy misy tokony hanerena an-kolaka an’Antananarivo izay efa sahiran’ny krizy handray anjara fa andraikitry ny fanjakana izany.

Etsy ankilany dia manomboka mba mametra-panontaniana ihany koa ny amin’ireo toerana voakilasy ho faritra mena noho ny asan-dahalo, toy ny any amin’ny ilany andrefana amin’ny faritra Amoron’i Mania sy Bongolava iny. Ripaky ny dahalo ny fananan’ny tantsaha, an’arivony no efa nitsoa-ponenana nefa tsy mba nisy hetsika voin-kava-mahatratra natao hanampiana azy ireny. Firifiry koa eto an-drenivohitra no mananontena sy kamboty tsy fidiny noho ny asan-jiolahy, nefa inona no mba fanampiana natao azy ireny ? Sa manao vain-drahalahy tsy maharary ?

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT