efa heverin’ny olom-bitsy manana mindrana na mibodo fahefana ho fananana efa vita kadasitra aminy ?
Toa tena miha mivaona sy manao izay saim-pantany hatrany mantsy ny mpitondra ankehitriny, kanefa vitavita ho azy eny. Tena mahatsapa ho tsy misy arofanina sy tsy matahotra na iza na iza tokoa ve ka manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina. Ny mpanohitra rahateo toa voafehy tsy tena afa-mikofoka !? Tsy misy tsy fanjariana izay tsy miseho, saingy mbola ny fandranitana vahoaka aza indraindray no setrin’ny kiana aterak’ireny. Ny fitantanana firenena efa mirona makany amin’ny rafitra andriamanjaka ka toa efa misy sarintsarina « prince héritier » na mpandova fahefana any aoriana izany ? Tsy finiavana hisintona lakolosy, ary resahana eto amintsika foana hoe : mila etika ny fanaovana politika, tsy tokony hisy ny fikitikitihana vady aman-janaka tsy manan-tsiny noho ny tsy fitovian-kevitra politika,… Ekena, tena marina, hombana manana ny tahaka izany saingy mampametra-panontaniana kosa ny hoe : ahoana ny fipetrany raha ny zanaky ny mpitondra no toa efa manomboka hasisika sy tezaina amin’ny bizina sy fandraharaha amin’ny fifanarahana firenena roa samihafa na firenena sy vondrona ara-toekerana na mpandraharaha goavana eran-tany ? Moa tsy izany ve no efa nokianina sy nodradradradraina teto hatramin’izay ? Efa lasa fananam-pianankaviana ny Firenena ka tena manao izay saim-pantany ny mpitondra satria heverina fa malemy sy tsy afa-mikofoka noho ny fahantrany ny Malagasy ? Leferina avokoa ny tsy fanjariana mamoafady rehetra atao amin’ity Firenena ity, mandeha ny fifampiarovana an-jambany, fiheverena ny Malagasy ho bado,… Ireo mahay misolelaka sy miaro an-jambany ka sahy milaza ny mainty ho fotsy sisa mahazo tombotsoa sy miaina fa ny Malagasy toa hesoina amin’ny latsa manara-penitra fa 100 euros mahasambatra. Ireo mpiaro an-jambany ny tsy fahombiazana sisa no miaina ka sahy mivarotra fanahy, hany ka ny manana mari-pahaizana ambony amin’ny fisolelahana sy fikirakirana kaonty fako amin’ny tambajotran-tserasera no tendrena ho tompon’andraikitra ambony amina rafi-panjakana. Tsy resaka fankahalana na fanamaivanana na fanambaniana olona, fa toa tsy ny traikefa sy fahaiza-manao no mason-tsivana ho an’ireo olona sasany omena andraikitra ambony fa izao bodo sy adala rehetra izao rehefa mahay manasohaso mpitondra ? Atao mahagaga ve raha mivarina an-kady ny firenena, sanatria toa lasa tahaka ny valala nosamborim-boka ka raha tsy maty mifohifohy volo ? Mila mifoha sy manova isika Malagasy !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.