Fomba fitenin’ny Ntaolo ny hoe : « ny fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona ». Nihatra tokoa izany ny sabotsy teo.
Tsy nanana ahiahy intsony ireo mpiara-dia amin'i Marc Ravalomanana vantany vao nahare hoe efa nahavita ny "checking" tao amin'ny seranam-piaramanidina ity filoha teo aloha ity sy ny mpiara-dia aminy, ary avy eo niditra anaty fiaramanidina ary dia roso ny dia ho aty Madagasikara. Nafana ny ambiansy teny Ivato sy ny manodidina. Nifanitsakitro ny vahoaka. Nitombo isa noho ny tamin'ny 19 febroary 2011 ireo mpitsena, efa nisy ny fandaminana matotra ary maro be ireo avy any amin'ny faritra no tonga. Niroso ny ora sy ny minitra, nilatsaka ny vaovao fa nisy indray, hono, ny NOTAM araka ny baikon'ny FAT any amin'ny Asecna, izay milaza fa mikatona ireo seranam-piaramanidina goavana eto Madagasikara. Noho izany tsy afaka midina eto ilay fiaramanidin'ny Airlink, ary dia niverin-dalana indray ho any Johannesburg.
Nazava ny resaka nanomboka teo fa nosakanan'ny FAT tarihin-dRajoelina indray ny fiaramanidina hitondra an'i Marc Ravalomanana hiverina an-tanindrazana. Tsy ny ACM na baiko avy amin’ny ministeran'ny fitaterana, na koa ny praiminisitra no namoaka ny NOTAM fa tena ny avy ao Ambohitsorohitra mihitsy. “PHAT INSTRUCTION – AERODROME CLOSED”, izay no voasoratra. Mety nahatsapa angamba izy ireo fa hanahirana izany hisambotra an'i Marc Ravalomanana eny Ivato izany manoloana ireo vahoaka ana hetsiny maro tonga nitsena azy, koa dia naleo aloha tsy avela miditra eto Madagasikara ilay fiaramanidina. Nisy koa moa ireo mety mbola nieritreritra hoe tsy ho sahy hody ka handray ny fiaramanidina izany ingahy Ravalomanana, kanjo tena tafiditra tanaty fiaramanidina tokoa izy ary nanainga. Mibaribary tamin'iny sabotsy iny koa fa mikorontana ao ambonimbony ao ary mety misy ihany ny fifanipahan-kevitra. Mazava ny resaka izao fa tena matahotra an'ity filoha teo aloha ity mafy i Andry Rajoelina sy ny ekipany, ka na ny hisambotra azy, aza tsy sahin'izy ireo. Tsy hihatra indray ve izany ilay didy fampisamborana, sa hanainga ho any Afrika Atsimo indray, ny mpitandro ny filaminana Malagasy hisambotra an'i Dada ? Hamintinana azy dia mbola fanontaniana ihany : iza amin'izay ary izao no tena kanosa sy tsy sahy miatrika ny zava-misy marina e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.