Efa tena manondro mena avokoa ny tondro rehetra raha ny eto Madagasikara no resahana, fahasosorana sy fahadisoam-panantenana isan-karazany no hita any anaty fiaraha-monina.
Tsy mahita vahaolana amin’ny fahasahiranan’ny mponina aloha hatreto ny Hery vaovao sy ny ekipany, tsaroana etoana ny voambolana nampiasain’ny olona sasany roa taona sy tapany lasa izay nilaza fa Fery vaovao io tonga ho an’i Madagasikara io.Tena nitombo tokoa ny fahasahiranana, tsy hoe fitiavana hanome tsiny be fahatany fa ny mpitondra sy mpitantana izany dia manao izay fara fahaizany amin’ny fikaroham-bahaolana rehetra, tsy izany anefa ny zavatra tsapa ankehitriny.Niha nahazo vahana ny kolikoly , ny fanararaotam-pahefana, nitombony elanelana eo amin’ny mitondra sy ny vahoaka, tapaka ny fifampatokisana…ka ny ao an-trano aza moa tsy mifampatoky koa tsy atao mahagaga raha mitazam-potsiny ny any ivelany.Efa atao veloma hatreo ny famatsiam-bola ho an’ny fitondrana HVM, tsy ho vita izany ilay programan’asa PND mazava ho azy fa manao fampandehanan-draharaha fotsiny sisa ny fitondram-panjakana.Tsy misy azo antenaina e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.