Edito

Manankasina sa…


  • Alakamisy 10 Novambra 2016

Ny fifidianana sy ny voka-pifidianana tao etazonia izao no mbola vaovao manakoako indrindra eran-tany hatreto.


 Azo lazaina hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao izy ity satria dia maro amin’ireo mpandinika raharaha politika no mahita fa somary hanivana kokoa noho ny teo aloha ny amerikanina eo amin’ny sehatry ny fifanakalozana iraisam-pirenena. Hanamarina izany ilay teny fanalahidy goavan’ny filoha vaovao hoe «  first american » na ny hoe ny amerikanina aloha izay manamarika tsy fanekena lembenana. Eo amin’izay resaka tsy fanekena lembenana izay indrindra dia mampatsiahy ny fandinihan’ireo mpandinika tantara sy fiarahamonina eto an-toerana mikasika ny anaran’ity nosy tany am-pahariany. Manankasitsara, hono, no anaran’ity nosy ity tany am-piandohana ary ny mponina tao dia nantsoina hoe “Manankasy” na “Manankasina”. Taty aoriana kosa, vao nanomboka hanjanaka ny frantsay dia nezahin’izy ireo hanasana ny atidoha ny hoe “Madagascar” no anaran’ny nosy ary “Malgache” izay tsy mbola nisy nahafantatra hoe “ratsy voatra” no dikany tamin’izany no anaran’ny mponina. Mbola adihevitra hatramin’izao ny tena hevitr’ity hoe “Madagascar” izay nohagasiana hoe “Madagasikara” ity sy ny hoe “Malgache” izay nohagasiana hoe “Malagasy”. Rahoviana no tsy hanaiky holembenana ho “Madagasikara” fa hiady Manankasintsara isika ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT