Edito

Mananika ny avo


  • Alakamisy 21 Septambra 2017

Be ireo saika voafitaka omaly nahita ny vaovao niparitaka tamin’ny tambajotram-pifandraisana iray nilaza fa nisy lehiben’ny antokon’ny fitondram-panjakana niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Andilamena omaly.


 Rehefa nandeha anefa ny adihevitra sy ny fanadihadiana dia nisy nahatsikaritra ihany fa fitsaram-bahoaka nitranga tany amina firenen-kafa no nampiarahan’ilay nanely ny tsaho tamin’ny sary avy eto an-toerana. Miha mananika ny avo hatrany hatreto ilay fahasahiana mihoa-pampana. Efa maro anefa ireo raharaha nahatonga olona tany am-ponja toy ilay resaka fihotsahan’ny tonelin’Ambohidahy sy ny raharaha Hiary Rapanoelina. Mety ho efa tofoka sy leon’ny fitondrana misy ankehitriny ny vahoaka saingy mampametra-panontaniana ihany hoe inona no tombony amin’ny fanelezana tsaho fa vitan’ny malagasy mihitsy ny mampihatra fitsaram-bahoaka amina mpanao politika ? Tsikaritra, araka izany, fa tsy ny sehatra politika ihany no ahitana famandrihana ny olom-pirenena fa hatrany amin’ny tambajotran-tserasera. Andrasana ihany koa izay ho fihetsiky ny fitondram-panjakana manoloana iny tranga izay sady hita ho mamboly fisaraham-bazana iny.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT