Edito

Manangasanga ny tsy ampoizina


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Azo lazaina ho manangasanga ny tsy ampoizina na “surprise”, hoy ireo vahiny, taorian’iny fiverenan’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, iny.

Azo lazaina ho tsy tena mafana toy ny tamin’ny taona 2018, izay efa azo ambara ho nangatsiaka koa aza tamin’ireny fotoana ireny, ny resa-pifidianana tamin’ity taona 2023 ity. Anaty tambazotran-tserasera angamba no ahitana ireo mpanaradia ireo filoham-pirenena miisa 3 farany dia ilay vao tonga teo, Hery Rajaonarimampianina sy Andry Rajoelina ary Marc Ravalomanana mivoy ny hoe hiady ny fifidianana na hoe aleo andeha ny fifidianana fa raha ny fiarahamonina malagasy ankehitriny aloha dia ny vidim-bary eny an-tsena no saika hita ho tena maha vaky loha azy. Na izany na tsy izany anefa dia tsy azo tsinontsiniavina iny tranga niseho teny Ivato ny sabotsy teo iny satria mety ampitsimbadika kajy maro na tiana na tsy tiana. Efa niaraha-nahita ireny ny sakantsakana maro samihafa nandritry ny fitsenana an-dRajao, hoy ny mpanara-baovao. Fanontaniana mipetraka manomboka eto koa ny hoe ho avelan’izao fitondrana izao halalaka amin’ny ataony sy ny teneniny ve ity filoha teo aloha ity sa sanatria iharan’ny antsojay toy ny nahazo ireo hafa teo aloha ihany koa? Inona no fifanarahana politika efa mandeha any ambadika any? Ho tetezamita ve? Ho tratra ara-potoana ihany ve ny fifidianana? Mety hanana kandida tokana ve ny mpanohitra? Mbola hilatsaka ho filoham-pirenena indray ve ny filoham-pirenena ankehitriny na dia eo aza izao tomban’ny asa vita izay nofintinin’ny banky iraisampirenena izao fa na ho vatsian’izy ireo vola foana aza isika dia afaka 70 taona vao mety hitovy amin’ny Rwanda? Fanontaniana isan’ny manitikitika izany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT