Edito

Manangasanga…


  • Talata 04 Janoary 2011


Nanomboka tsimoramora ity taona vaovao 2011 ity, ary toa nivalona niaraka tamin’ny 2010 mihitsy ireo voambolana manimba sofina, tahaka ny hoe : lakrimôzenina, FIS, fisamborana, fisavana trano tampoka, fidinana an-dalambe, fitokonana sy fitakiana, fampidirana am-ponja mpanao gazety..sy ireo maro be tsy ho voatanisa eto. Fa nanomboka niverimberina tao am-bavan’ireo mpanao politika avy amin’ny ankolafy rehetra kosa ny hoe : fiaraha-miasa, fiaraha-mitantana, fifanomezan-tanana, fifandeferana, fihavanana. Dia asa aloha raha tena ho tanterahana izany rehetra izany na resa-be fotsiny …indray ; fa na ny olon-tsotra ihany koa aloha dia efa leon’ny fifandirana sy ny fifandrafiana izay tsy nahitam-bokatsoa mihitsy hatramin’izao fa nampitombo isa ny any am-ponja sy ireo nitsoaka sy niafina fotsiny.

Tsy manonofy ny manam-pinoana raha miteny amin’izao fotoana fa efa manangasanga ny fitoniana eto amin’ny firenena satria tonga saina amin’ny tsy mety nataony sy ny mety tokony hataony ny mpanao politika. Tsapa fa mitsoka eto Madagasikara ny tena rivotry ny fanovana, ary vonona ny hiatrika izany ny maro an’isa. Saingy tsy maintsy misy ihany moa eny an-tsefatsefany eny ny mpanakorontana sy ny tsy mieritreritra afa-tsy ny tombotsoany manokana. Nanamarika izao taom-baovao izao ny antso ho amin’ny fifanomezan-tanana sy fiaraha-miasa mba hamoahana ny firenena amin’izao krizy izao natao’Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, izay fototra niaingan’ny fifanolanana politika nahatonga ny krizy. Koa raha tena vonona ny hifampihavana sy hifanome tanana tokoa izy mirahalahy ireo dia tsy tokony hisy intsony ny sakana.

Tsy voatery anefa hoe tsy maintsy hisy ny fihaonana eo amin’ny roa tonta vao ho tanteraka izany rehetra izany, fa efa azo adika sahady fa endrika fifanantonana ny fihaonan’ny solotenan’ny TIM tamin’ny TGV sy ny Escopol ary ny UDR herinandro lasa izay. Fananganana ny tetezamita iaraha-mitantana no votoatin’ny resaka tao ary samy marisika amin’izany ny andaniny sy ny ankilany. Io ilay nambara teto omaly hoe efa fomba fijery vaovao izao no hiatrehana ny zava-misy fa tsy mety intsony ny fifanenjehana sy ny fifamaliana faty, fotoanan’ny fiaraha-miasa izao fa tsy fotoanan’ny fifanomezan-tsiny intsony, hoy i Marc Ravalomanana farany teo. Efa miroso any amin’ny fiaraha-mitantana tena izy ireo ankolafy rehetra amin’izao fotoana, ary eo ambany fiahian’ny sehatra iraisam-pirenena no hanaovana izany, tsy afaka ny hitoka-monina i Madagasikara fa tsy maintsy miara-dalana amin’ny any ivelany, saingy ny vahaolana mety sy mahomby ho an’ny Malagasy no ampiharina fa tsy izay hetahetam-pon’ny vahiny tsy akory. Mila fahavononana sy fikirizana goavana izany ary mitaky faharetana ihany koa satria tsy ho mora … iny lalana iny, kanefa tsy maintsy tohizana ny dia !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT