Edito

Manangam-pahavalo


  • Zoma 22 Jolay 2016

Sarotsarotra ihany ny toerana misy ny fitondrana HVM amin’izao fotoana. Na ny eto an-toerana na ny any ivelany mantsy dia samy tsy mahatoky azy avokoa.

Noho ny fitantanana tsy mahomby sy ny tsy fahaizana mamaha ny olana no mahatonga izany rehetra izany, miampy ny fampiasana ny fahefana eo am-pelatanana mba hanapenam-bava ny hafa na hisomparana tsotra izao ireo izay sahy mijoro milaza ny tsy mety. Mandaitra ihany aloha io paikady io hatramin’izao saingy tsy handaitra mandrakizay izany ary efa tsinjo ihany ny fiafarana ratsy. Mety mbola ho ratsy kokoa noho ny nitranga tamin’ny 2002 sy ny 2009 aza, hoy ireo mpandinika. Ny antony dia mipoerapoera loatra, araka ny fomba fiteny avy any avaratra izao fitondrana izao, mihevitra ho mahavita tena, manangana fahavalo etsy sy eroa, be marenina, sarotra atoro kanefa manorina tranobe eo ambony fasika. Ny holatry ny krizy 2009 tsy mbola nikatona dia efa mamorona krizy isan-tsokajiny etsy sy eroa ny mpitondra fanjakana, ka amin’ny fotoana ipoahan’ny fahatezerana dia asa fotsiny izay hitranga eto. Inona no tsy nanohizana ny fampihavanam-pirenena fa toa fanenjehana ny hafa indray no imasoana ? Dedaka ery any amin’ny COP 21 manasonia ny fifanarahana iraisam-pirenena iadiana amin’ny fihafanan’ny tany, eto an-tanàna anefa potehana ny tontolo iainana ka tsy tahotra tsy henatra mivarotra tanindrazana hozimbazimbain’ny vahiny amina fitrandrahana. Ny mahery tsy maody tsy ela velona a !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT