Edito

Manampahefana miesona ?


  • Zoma 24 Jona 2016

Raha ny tokony ho izy dia miasa andro aman’alina ny mpitondra fanjakana eto Madagasikara fa tsy hiala sasatra izany mihitsy.

Tena misavovona ny olana, ka inona ary ny vahaolana ? Ara-toekarena, mazava fa marary ny firenena, mikaikaika sy velon-taraina ny ankamaroan’ireo mpandraharaha, indrindra fa ny Malagasy. Mety mahazo tombony manokana angamba ny vahiny matoa tsy mimenomenona. Ara-tsosialy, tsy iadian-kevitra intsony fa mijaly ny Malagasy, olona 2 amin’ny 3 no sahirana ara-pivelomana eto ary io no tena mampitombo ny halatra sy ny herisetra isan-karazany. Ara-politika, ambony ambany ny firenena satria tsy mahita vahaolana hatramin’izao ny filoham-pirenena sy ny ekipany handaminana ny fery navelan’ny savorovoro tamin’ny 2009. Tsy hisy asa ho vanona anefa raha tsy mihavana sy mifanazava mihitsy aloha ny Malagasy. Mampitombo hatrany ny herijika mety hisian’ny korontana io tsy fisian’ny fitoniana ara-politika io. Izany no mampalaza ny resaka fanonganam-panjakana tato ho ato izay. Maro be ny siosion-dresaka, heverina fa efa mahalala ny andraikitra tokony horaisiny ny manampahefana saingy ny mampatahotra dia sao lahy ka manampahefana efa tsy mahafehy ny olona tantanany intsony no misy eto e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT