Edito

Manamafy seza aloha


  • Alarobia 30 Septambra 2015

Mihodin-kavia,mihodin-kavanana fa tsy mety mahita ny lalan-kivoahana ny mpitondra fanjakana. Mbola tena manaikitra ny krizy politika, tsy mety mahavaha ny olana fototra ny fihaonana etsy sy eroa,

 

toa lasa fiadiana tombontsoa sy fanomanana ny seza mety hipetrahana amin’ny manaraka fotsiny ireo fihaonana ireo fa tsy tena mijery akory ny tombotsoam-bahoaka. Be loatra ireo tranga hafahafa ka io no miteraka tsy fifankahazoana. Antsoina ny mpifidy vaventy hifidy ny Loholona amin’ny 29 desambra, kanefa ny lalàna sy fepetra mifehy io fifidianana io aza vao hodinihana. Ny Ceni no hikarakara ny fifidianana Loholona. Tsy feno anefa ny mpikambana ao satria mbola misy solontena iray fidian’ny antenimierandoholona. Sa avela ho banga fotsiny indray ve io, izany hoe handika lalàna indray ? Ny zavatra tahaka izany no mampisavorovoro ary manaporofo fa tsy milamina ny eto ary ataon’ny mpitondra mifanaraka amin’izay maha metimety azy ny lalàna. Mazava ny tanjona fa mikasa ny hanana ny maro an’isa ao amin’ny antenimierandoholona ny HVM mba hanoherana ny fiovaovan-kevitry ny depiote izay efa nanongana ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra. Dia mandra-pahoviana izany no hanaovana kilalao politika tahaka izany e ? Dia miandry aloha izany ny asa fampandrosoana fa mbola manamafy tsara ny toerany ny mpitondra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT