Edito

Manalavitra ny lojika


  • Alakamisy 25 Jolay 2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

mbola fitsanganan’ny governemanta malagasy ity. Ny praiminisitra nefa iaraha-nahita fa ny efa teo ihany no mbola voatendry fanindiminy na dia nohamafisin’ny sehatra iraisampirenena aza niiba ny vokatra nentiny teto amin’ilay firenena. Raha oharina amina fiainan-tokantrano iray izany dia toy ny hoe 5 taona niasana tao anatin’izany tokantrano izany ny olona iray nametrahan’ny loham-pianakaviana ao amin’ilay trano fitokisana. Ny zava-nitranga nandritry ny taona maro naha tao io olona nametrahany fitokisana io anefa dia tsy nisy afa-tsy fitotonganan’ny fiainan’ilay tokantrano. Na ny fidiram-bolan’ilay tokantrano aza nihena dia nihena. Raha nomena ody am-bavafo na «gouter» 5000 Ariary isan’andro taloha ny zanaka tao anatin’ilay tokantrano dia zara raha mahazo 500 Ariary avy sisa ankehitriny. Ny firavaka volamena rehetra tao anaty vata fitehirizana izany na «boite à bijoux» nivadika korotam-by kanefa dia na teo aza izany rehetra izany dia mbola hoy ihany ilay raim-pianakaviana manoloana ireo vady aman-janany hoe nahafinaritra ny fiaraha-miasa tamin’ity olona nametrahako fitokisana an-taonany maro ity ka dia indro mbola averiko hametrahana izany fitokisana izany ihany izy. Raha tsorina, noho izany, ny filaza azy dia hita manalavitra ny lojika hatrany mihitsy amin’izao fotoana izao ny fitantanana ity firenena ity ary mbola porofo manamafy izany mihitsy aza moa izao filalotry ny fanendrena ireo minisitra handrafitra governemanta izao satria dia praiminitra efa teo nandritry ny 5 taona mahery, efa teo talohan’ilay filoham-pirenena ankehitriny kanefa dia izao miara-mihazohazo amin’ny filoham-pirenena amin’ny fanendrena minisitra izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT