Edito

Manala vonkona


  • Alarobia 11 Jolay 2012

Miakatra ny soratra raha filma no jerena mikasika ilay “opération Remenabila”.

 Tsy hita popoka ity lehiben’ny dahalo mandravarava any atsimo ity. Kaontiny niveri-maina mba tsy hilazana fa nilavo lefona ireo andia-miaramila manokana nalefa tany atsimo hanao hazalambo an-dRemenabila. Ny vokatra ho azy ireo dia ny nahafahana nanavotra ny fatin’ireo zandary sy miaramila ary sivily, 12 lahy, maty teo am-panatanterahana ny asany raha nifanehatra tamin’ny tarik’i Remenebila ity. Taorian’izay dia miraradraraka izao ny filazana fa dia handraisana fepetra hentitra ireo mpiasam-panjakana mitokona, ary nasian-teny manokana ny mpitsabo.

Any indray ny mpitondra no manala vonkona rehefa tsy nahita vokatra mazava tany atsimo. Nampiasaina avokoa ny tetika famonoana afo, toy ny fandefasana “gros bras” handrava ny fitokonana, ny fandefasana fandrahonana amin’ny SMS, fisamborana mpitarika sendikaly, saingy tsy nampihemotra ireo mpanao fitakiana sendikaly izany, ary vao mainka aza izy ireo hiroso amin’ny fitokonana lavareny manomboka anio.

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT