Manala vela!

Manala vela na koa hoe miala vela,


  • Alarobia 11 Martsa 2026

izany hoe manala vela-pandrika

na miala vela-pandrika, teny fampiasa amin’ny lalao fanorona hatramin’ny andron’ny Ombalahibemaso na ny mpanjaka Andrianampoinimerina izany. Ny fanorona, raha tsiahivina ny tantara, dia tsy lalao fehy lalao fotsiny ihany fa tena rindran-damina niarovana ny fanjakàna tamin’ny fotoan’andro mihitsy. Paikady nanoherana ny fahavalon’ny mpanjaka sy ny vahoakany. Izay moa ilay nantsoina hoe teti-panorona. Fantantsika hatramin’izao fa voambolana mbola fampiasa avokoa izany rehefa miresaka kajy politika eto amin’ity firenena ity. Ny mampalahelo nefa dia tsy kajy ho fiarovana ny vahoaka na ny soa ho an’izany vahoaka izany toy ny tamin’ny fotoan’andro no lasa tazana matetika anatin’ilay izy fa tetika hahazoana seza sisa, mba tsy ilazàna hoe ahazoana fanjakàna. Ilay antsoina hoe vela-pandrika hatrany no tsikaritra ho lasa mameno ny tontolo politika eto amin’ny firenena. Raha nofaritan’ireo mpandinika grika namorona azy toa an-dry Socrate sy Aristote ho fitantanana firenena na fiarahamonina na tanàna ny atao hoe politika dia nivadika ho fandrombahana fahefàna, fifaminganana, fifanalàm-baraka, tsy misy afa-tsy fikatsahana tombontsoa manokana, famadihana tanindrazana izany, raha ny hita teto amin’ity firenena ity tao anatin’ny 17 taona farany aloha. Hatramin’ny 25 septambra ka hatramin’izao isika io izany dia hoe niady ny mba tsy hisian’izany tsimatimanota eto amin’ny firenena izany intsony. Mba tsy hisy intsony ny hoe trafikana harem-pirenena mandeha ho azy toy ireny hita tamin’ny nahazo ny andramena sy volamena hatramin’ny gidro sy sokatra marobe teto amin’ny firenena ireny. Nanapa-kevitra ireo nisafidy ny hitolona nanomboka tamin’iny 25 septambra iny hoe aoka koa izay ny fitehirizana ireo forongon’iny fitondràna teo aloha iny ao anatin’izao fitantanana vaovao ho amboarintsika izao. Ny niseho anefa ary mbola misy hatramin’izao dia ny hoe mbola nisy tafiditra tao nitantana ny sasany tamin’ireo minisitera nisy farany teo. Mpanohana tsikaritra ho nafana fo ny fitondràna teo aloha no niparitaka iny fa nitarika ireo tanora Gen Z sy Gen Y nitaky ny fanalàna ny praiminisitra ary dia iny moa ny tohiny ny ampitso. Nianjera ilay governemanta. Eo ihany koa izany ankehitriny no mampametra-panontaniana mpanara-baovao samihafa hoe sao sanatria misy izay antsoina hoe velam-pandrika izay ao anatin’izao tranga rehetra misy eto amin’ny firenena izao? Inoana fa efa manala vela no atao!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT