60 taona mahery izany izay no nisian’ny kere teto amin’ity firenena ity. Mbola tsy mety foana sy tsy ahitam-bahaolana hatramin’izao izany.
Tsy sambany nahenoana depiote mitaky tombontsoa koa teto. 4x4, retiretin’ny olom-boafidy, tambin-karama isan-karazany ary nanaitra ny mpanara-baovao tamin’ity herinandro ity mihitsy moa ny fahenoana solombavambahoaka mitaraina noana. Voambolana somary nanaikitra sofin’olona maro io ary lojika be ny fanontaniana nanohy azy dia hoe manao ahoana izany ny havantsika any atsimo raha ianareo aza noana? Eo koa ny ady vaky miseho imasom-bahoaka ao anatin’ny fitondrana na koa rafitra misy. Efa nahitana toy izany koa ny fitondrana teo aloha ary izany rehetra izany dia mampametra-panontaniana hatrany hoe aiza ho aiza ao anatiny ny fikatsahana tombontsoam-bahoaka sy fampandrosoana ity tanindrazana izay lazaina fa hiaraha-manana sy mandova ity? Manoloana izany dia manako ny tantara ary mampiverina ny saina any amin’ny andron’ny MDRM sy Padesm tany ho any mihitsy. MDRM izay napetraka ho hetsika fanovana amin’ny maha “renovation” azy ary nalaza ho fitaovana namotehana izany moa ny Padesm izay sahy nijoro ho antokon’ireo tsy manan-dova eto amin’ity firenena ity na hoe “déshérité”. Malaza ho mbola ambadiky ny zava-drehetra eto ny mpanjanaka izay voalaza ho nanohana izany antoko izany. Sao dia mba maro amin’ireo mpitondra eto sy nifandimby teto tokoa ary no mihevitra fa mbola tsy manan-dova sy tsy ampandova na inona na inona eto amin’ity firenena ity, sanatria, ka antony tsy mampiraika ny sasany manoloana ny fahitana izao fahoriam-bahoaka izao ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.