Edito

Manajà tena raha hendry e !


  • Alakamisy 28 Jona 2018

Tsy misy mandeha amin’izay laoniny intsony eto amin’ny firenena amin’izao na ara-tsosialy na ara-toekarena, indrindra ny ara-politika. Fanamaivanan-dresaka no ataon’ny fanjakana.


 Ny filoham-pirenena aza moa dia toa te hanala tena tsy ho tompon’andraikitra mihitsy. Firenena sahirana sy mahantra fadiranovana, hono, no noraisiny tamin’ny taona 2014 e ! Raha hendry dia manaja tena amin’izay fa tsy mbola miady sisika eo na efa hita izao aza fa tsy misy atokona. Adinon’ilay rangahy io angaha fa izy anie minisitry ny vola sy ny tetibola tao anatin’ny tetezamita e ? Tsy tadidiny angaha fa izy anie ka anisan’ireo 108 olona nosazian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena noho ny fakana fahefana tsy ara-dalàna tamin’ny 2009 e ? Dia io fa manilika sy tsy te haloto ary minia mikipy kanefa ny fanjakany no tompondakan’ny kolikoly sy afera maloto hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena. Tsy nanarina fa nanohy ny ratsy niaraha-nanao tamin’ny tetezamita, kanefa dia mbola sahy milaza sy mamita-bahoaka fa nahavita be ary mbola hahavita. Efa fiaraha-mitantana indray izao, ka tsy hay izay hafitsoka atsy ho atsy rehefa misy ny tsy fahombiazana. Hamatotra ireo hafa niditra tao ho samy tompon’andraikitra fa rehefa misy kosa ny sombintsombin-pahombiazana, dia hiedinedina toy ny mahazatra fa tena nanao ary mbola hanao. Seho ivelany no betsaka, fa izay tena vahaolana mipaka amin’ny rehetra aloha dia tena lavitry ny kitay ny afo. Izao tokoa angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe: “Mahari-pery ny Malagasy ary mora manadino.” Asa lahy raha mbola hinia hikimpy hanadino ny tantara niatomboka tamin’ny 2009 mandrak’androany ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT