Edito

Manajà tena dieny izao !


  • Alarobia 08 Novambra 2017

Zary ala olana sy fomba fanadiovan-tenan’ny fanjakana ankehitriny ny namantana firenena avy rotiky ny krizy manoloana ny tsy fahombiazana.

Tsy misy manda izany eto, saingy mba mila mahita finiavana avy amin’ny fanjakana ny vahoaka hoe miezaka ny hihoatra izay fomba fijery izay, ary mampiseho fa manarina ny firenena, fa tsy manohy ny famotehana efa nisy. Tsy izay miseho ankehitriny, fa hifaninanana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, manjaka ny famarotana tanindrazana, ny kolikoly moa dia ny tan-dapa no tompondaka,… Lojika raha leo sy tofoka ary mimenomenona ny vahoaka satria zary fahoriana ho azy no entin’ny mpitondra nantenain-kanirina kanefa vao mainka mampivandravandra. Noheverina ho Hery Vaovao hanala ny Malagasy ao anaty fahoriana kinanjo ilay noheverina ho ranon’orana hanamando ny voly, lasa hainandro nanamaina sy nahakarakaina ny tany. Tsy mahavita azy sy tsy tompon’andraikitra, ka ny manaja tena no mety raha mahalala menatra. Izay mihevitra ny ho eo ihany koa dia aleo mihemotra dieny izao raha tsy hisaina afa-tsy ny hiala bala sy hanameloka ny teo aloha satria tsy vao izao no fantatra fa sahirana sy mahantra ny firenena. Rehefa tsy manana vahaolana afatsy ny hiala bala toy ny misy ankehitriny tsaratsara kokoa ny manaja tena dieny izao raha tsy te hahita loza e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT