Edito

Manaintaina tsy mivonto hatrany


  • Alatsinainy 11 Janoary 2021

Na amin’ny atao na amin’ny resaka izany hatramin’izao aloha dia any amin’ny

 

 

 

tsy mivonto hatrany no manaintaina izao fitondrana izao. Kere ny any atsimo. Toeram-pilomanosana olimpika no drafitra goavana ao amin’ilay toerana. Miha midangana isan’andro ny vidim-piainana. Ny kianja manara-penitra, téléphérique, tramway, tanàna vaovao no maha seriny. Tsy mety tafavoaka, hoy ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa izay, ny “opération vidin’entana”. Nijanona ho fanampiana fotsiny ny vatsy tsinjo sy ny tosika fameno sy ny rehetra, hoy koa ry zareo mpandinika ny amparahatoka. Miha ritra hatrany ny aty vilanin-dRamalagasy. Manaintaina tsy mivonto hatrany no miseho. Iny izao farany teo, ny tsy fahazavan’ny trafikana volamena milanja tsy hay intsony na 73,5 na 73,7 kilao no miteraka resabe sy mahasorena ny Malagasy ankehitriny. Ny an’ny mpitondra tenin’ny governemanta anefa dia ny tsy hiverenana filoham-pirenena iray teo aloha eo amin’ny fitondram-panjakana intsony no maha repotra azy. Ny fanazavana mikasika ny volamena latsaka am-bovoka anefa miova isan’andro ary zary fandrendrehana saim-bahoaka sisa ny fifamahofahoany. Asa indray koa aza angamba izay firenen-kafa mbola ho asaringotra manaraka ao anatin’izy ity raha hiitatra eto foana ny resaka. Mbola tsy hay koa izay hitranga raha handray fepetra manoloana ny fanonotononana ny anarany ireny firenena ireny. Mbola fanaratsiana mpanohitra sy filoham-pirenena tsy tiana hiverina eo amin’ny fitondrana ihany no maha maika ny mpitondra sasany izay heverina ho tokony hanana adidy hampiray ny firenena amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany misahana ny kolontsaina azy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT