Edito

Manaiky matoa tsy miteny


  • Alarobia 07 Janoary 2015

Raha sady tsy nandà no tsy nitsipaka ilay tenimita navoakan’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana tamin’ny 26 jona 2014 momba ny tombontsoan’ireo mpiasa manana fironana “pede”, tia olona mitovy anona aminy, ny fitondrana malagasy, dia mipetraka ankehitriny ny fanontaniana momba ny tsindry mafy dia mafy apetraky ny firenena sy ireo Ong tandrefana manery ny firenena madinika hankato ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy.

Henjana tokoa mantsy ny tsindry maro rantsana mihatra ataon’ny firenena tandrefana momba izany. Anisan’ireny ny fampirisihana ireo Ong any aminy. Toy izany koa ny gazety sy ny haino aman-jery any. Irahina izy ireny hanaramaso sy hiaro ny zon’ireo karazan’olona ireo amin’ny fomba rehetra. Rahefa tsy manaiky ny firenena iray dia milatsaka ny sazy. Iharan’izany sazy izany ohatra i Oganda, firenena afrikanina izay namoaka lalàna mandrara ny fanambadian’ny mitovy taovam-pananahana. Notapahan’ny Amerikanina ny fanampiana an’io firenena io ary manao toy izany koa ny Vondrona Eoropeanina.
Mipetraka ny fanontaniana raha manana hazon-damosina toy izany ny fitondrana HVM ka hitsipaka ny tsindry izay mihatra aminy ka hanaraka ny soatoavina malagasy sy ny finoana arahin’ny maro an’isa izay mandà ny fanambadiana toy izany. Tsy ahitan-teny anefa i Madagasikara hatramin’izao mandritra ireo fivoriana marobe iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona sy ny zon’ny pede. Midika ho fankatoavana ve izany ? Manaiky matoa tsy miteny, hoy ny fitenenana. Ny firenena arabo sy silamo miampy an’i Rosia sy firenena maro hafa manerana izao tontolo izao no hita fa mitsipaka.
Tsy mba hita toy izany i Madagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT