Edito

Manahiran-tsaina


  • Alakamisy 23 Jona 2022

Manahiran-tsaina ankehitriny ny miheritreritra ny mety hoavin’ity firenena ity. Hiatrika volana vaovao tsy ho ela isika.

Volana ho santarina fahasahiranana lalim-paka io izany raha ny tsidi-baovao efa niaraha-nihaino sy nahita tao anatin’ny ora sy andro vitsy monja izao. Hiakatra ny vidin-tsolika. Hiakatra ny saran-dalana. Hiakatra ny vidin’ireo filana an-davan’andro. Hiakatra ny vidim-piainana mba tsy hilazana hoe hidangana mihitsy. Ho avy ny fety ary efa anatin’izany mihitsy moa izany isika ankehitriny, raha ny fandaharam-potoana sy ny hetsika maro samihafa efa hampihanohan’ny fitondram-panjakana ny vahoaka malagasy ankehitriny, mba tsy hilazana hoe hampireven’ny fitondrana malagasy ny vahoakany. Ho adino vetivety indray tokoa aloha, angamba, izany ny fahasahiranana isan’andro satria ny malagasy malaza ho mora manadino. Ho misimisy toy ny mahazatra rehefa fety koa no lany an-tanana satria hoe “ataovy izay mety fa tonga ny fety!”. Izay ilay mba kolontsaina voavoy isam-baravarana maro eto amin’ity firenena ity. Miafy amin’ny ron’anana indray ny ampitso fa ny fety aloha tsy maintsy atao “mety”. Dia sanatria koa angamba ho adino daholo ny fahantrana lalina nentin’izao fitondrana izao sy ireo mpiaradia aminy tao anatin’izay 13 taona izay. Indrindra fa tamin’ity fotoana naha miiba ho -7,1 ny harin-karena ity. Mbola mihevitra ny ho lany fanindroany, hono, tsinona ny mpitondra am-perin’asa ary dia eo indrindra koa no manahiran-tsaina manaraka hoe inona izany no mety ho tombony raha tanteraka tokoa izany? Tsy ho sanatria aza hiha lalina lavitra noho izao ve ny fahantrana sy fahoriam-bahoaka? Inoana kosa aloha fa mba efa filoham-pirenena mahalala fa tsy famboly ny “Coton de Tulear” no ho tafapetraka eo. Mba efa filoham-pirenena mahafantatra fa tsy manome taranaka ny omby vositra. Tsy miandry roa taona ny fiakaran’ny voka-bary sy ny toy izany rehetra…
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT