Manaha nify sy manaha vary!

Manaha nify, manaha vary, mihanahana, mitaza-potsiny!


  • Zoma 18 Aprily 2025

Raha mbola misy fomba fiteny hafa azo hamaritana ny hoe midonana-poana

manoloana ny loza mandindona ny firenena amin’ny hoavy manoloana izao fiovan’ny rafi-pitantanana an’izao tontolo izao hita miandalana izao dia izany rehetra izany no azo hamaritana ny fihetsiky ny malagasy manontolo eto amin’ity firenena ity ankehitriny. Maro amin’ireo mpanohitra ny fitondràna neverin’ny mpanara-baovao maro fa hijoro hanohitra hatrany na oviana na oviana ny tsy rariny eto amin’ity firenena ity no nilaza fa aleo amin’izay mangina. Ny ao anaty fitondràna sy ireo heverina ho mpanaradia sy mpanohana azy moa dia efa samy mahita avokoa amin’izao fotoana izao ny mpanara-baovao hoe tsy misy afa-tsy ny misolelaka amin’ilay fitondràna sisa ataon’ny ankamaroany ao. Ny fiarahamonim-pirenena koa, ny ankamaroany, dia any amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana foana vao indreny fa mipoitra daholo izy mianakavy. Mitabataba mandritry ny volana vitsy ny hoe misy tsy tomombana ny tahaka izao sy ny tahaka izao dia mandefa fitarainana any amina ambaratongam-panjakàna na ambaratongam-pitsaràna samihafa. Mandefa fitoriana vitsivitsy dia hatreo. Toy izany hatrany no matetika hita miverimberina eto amin’ny fiainan’ity firenena ity hatramin’izay naha repoblika azy izay na dia efa iaraha-mahita aza fa tsy nety nampivoatra an’ilay firenena izany fa vao mainka nampitotongana azy ho gidany amin’ny resaka fampandrosoana amin’izao fotoana izao. Lasan’ny olona ny nosy manodidina dia ny hiteny mazava hoe «Aleo koa lasany any!» angamba sisa tsy atao. Mitolona amin’ny hamerenana ny taniny ny vahoaka malagasy amina nosy samihafa toy ny ao Nosy be, Sakatia, Mitsio sy ny eto anivon-tany sy faritra maro eto Madagasikara saingy raha misy dia misy dia hatreo amin’ny fanambaràna ihany no hitan’ny ankamaroan’ireo mpanao politika, eny fa na dia milaza azy ho mpanohitra aza, farany azony atao. Manaha nify sy manaha vary fotsiny ao!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT