Edito

Manafotsy ny efa mainty !


  • Alarobia 01 Martsa 2017

Tena talentan’ity fitondrana HVM ity mihitsy ny fiarovana ny olona efa hita fa nanao ny tsy mety.

Tena manafotsy ny mainty mihitsy e ! Aiza ve ka olona efa voarohirohy amina afera be tamin’ny alalan’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, kanefa mbola ompiana sy harovana fatratra ao an-dapa. Tompon’andraikitra efa hita izao fa tsy nahafehy ny olom-peheziny, ka niteraka fahapotehan’ny fananan’ny mpiray tanindrazana, tamin’ny alalan’ny fandoroana ny tananany, kanefa mbola harovana fatratra ihany. Tsy vitan’ny midororo araka ny fitenin’ny tanora fa mbola manome fanafintohinana ny vahoaka satria raha sazy no andrandrain’ny rehetra fa ho azon’ireny tompon’andraikitra efa matevin-koditry ny hagegena ireny, dia fiarovana sy fanambantambazana no atolotry ny tompon’ny teny farany eto amin’ny firenena ho azy. Samy manana ny hagegeny ny tsirairay ka tsy afaka ny hifanakiana samy ao anaty fanjakana, ka aleo mifampiaro. Raha mba mifampiaro amin’ny ara-drariny moa haninona, fa dia tena toy ny fiainan-jiolahy efa nifanao fatidra mihitsy kanefa mbola mirehareha fa manam-bola sy harena, ary afaka manao izay hitsin’ny saina satria ambonin’ny lalàna. Tena mahari-pery tokoa ny Malagasy raha mbola hahazaka izany ao anatin’ny 5 taona manaraka, ary hanaiky lembenana ny kajikajy hahafahan’ny fanjakana HVM mifikitra amin’ny fitantanana an’i Madagasikara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT