Manabevoho jadona

Hiakatra fampanoavana anio izany, raha tsy misy ny fiovana,


  • Zoma 24 Novambra 2023

ny raharaha mikasika ireo mpitarika sendika miisa 2 eto Madagasikara, dia ny filohan’ny SECES

Antananarivo sy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly. Ahiahiana ho nanohitohina fiandrianam-pirenena moa izy mirahalahy ireto, raha ny fampiantsoana voarain’izy ireo. Samy velom-panontaniana amin’izao fotoana izao ireo mpanara-baovao hoe inona tamin’ireo karazana fitakian’izy ireo ny heveriny fa zony moa izany no azo sokajiana amin’ilay hoe “manohitohina fiandrianam-pirenena”? Ilay mitaky ny volany tsy azo nandritry ny 4 taona ve sa ilay mitaky ny fanajana ny fiandrianan’ny oniversite? Ilay mitaky ny fanavaozana ny sata mifehy ny asa eto Madagasikara ve? Isany koa ilay hoe nanatitra taratasy ho fangatahana ny tafika handray ny andraikiny teny Andohalo. “Andraikitra”!! Voambolana isany nampametra-panontaniana maro tato anatin’ny 5 taona izany hoe hatraiza moa izany no fandraisan’ity fitondrana ity sy ny fotony izany atao hoe “andraikitra” izany. Dia hiverina ho voatanisa indray ireo nofy ratsy naha menatra ny maha malagasy be dia be tany aloha tahaka ireo raharaha maro isan-karazany toy ny “Panier Garnis”, “Ecran plat”, ny mangarahara momba ny fitantanana ireo famatsiam-bola momba ny COVID 19 izany nanodidina hatrany amin’ny 900 tapitrisa Euro tany ho any, ny volamena 73,5kg sy ny hafa maro, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Tonga aty amin’ny adihevitra momba ny firenena malagasy tantanana filoham-pirenena frantsay isika izao. Ny setriny anefa dia izao toe-draharaha manabevoho jadona izao! Raha tsy herisetra tamin’ny alalan’ny fandratrana sivily sy mpanao gazety dia ny kisambotsambotra isan-karazany. Hatramin’ireo heverina ho raiamandreny hampihavana sy hanelanelana na hampifanatona ny rehetra manoloana ny toe-draharaha misy avy no alokalofan’izany rehetra izany amin’izao fotoana izao!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT