Edito

Manabarabara daholo !


  • Zoma 26 Mey 2023

Asa moa hoe nanao ahoana izao ny lalam-pirenena faha 13 ao na amin’ny mbola tokony hanaovana politika sa tsy tokony hanaovana intsony araka ny fampanantenan’ny filoham-pirenena.

Ny tanànan-dalao tokony handraisana ny lalaon’ny nosy nampanantenaina fa tokony ho vita amin’ny fomba fiasa TGV aloha izao io iaraha-mahita fa na tamin’ny hafainganam-pandeha 2CV aza tsy tontosa mihitsy fa dia mionona amin’izay zava-misy eto Antananarivo eto ihany izany aloha. Mbola tsy misy mponin’ny renivohitr’ity nosy ity mitaingina teleferika koa hatreto ary na ireo fotodrafitrasa goavana nolalaina hanindriana ny tsy vitan’ny hafa tao anatin’ny 60 taona toy ny Tanamasoandro sy Flyover aza mbola mijanona ho nofy toy ny nanofisana azy nandritry ny propagandy ihany hatreto. Herintaona mahery kely tsy hifaranan’ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena vao nolazaina fa io Miami ao Toamasina amin’izao fotoana io kay hafa mihitsy ny heviny fa tsy hoe ho ampitoviana amin’ny Miami ao Etazonia. Manabarabara daholo an’ilay vahoaka ankehitriny izay te hanabarabara azy. Fanimpiriny nifamezivezy teo anivon’ny JIRAMA moa ny fanazavana hoe «Tapitra ny delestazy fa mitohy ny fahatapahan-jiro.» na koa hoe «tapitra ny fahatapahan-jiro fa mitohy ny delestazy.»? Izao indray dia hoe hanangana sampan-draharaha hitaky trosa. Hitaky trosa amin’ireo mpanjifa zara faha misitraka herinaratra anatin’ny ora 3 ao anatin’ny tontolo andro ve? Asa hoe inona indray no manaraka!?

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT