Manabado vahoaka !

Nivalona ny Fivoriana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasina


  • Talata 29 Aprily 2025

Indianina noraisina teto, izay nomanina fatratra, nisy endrika fangejana ny

fahafahana sy fahalalahan’ny besinimaro aza ! Inona marina no tombotsoan’ny Firenena ? Mba naka lesona sy haka lesona amin’ny fahombiazan’ireo Firenena manodidina antsika izay manan-karena lavitra noho i Madagasikara raha ny fari-piainan’ny olona sa dia mbola ny politikan’ny haingo ambony tsikoko lava ? Toa tsy tsapan’ny Malagasy aloha hoe nitondra inona sy hampivoatra mankaiza fa ny mpitondra no niezaka namoaka sy nanao serasera omaly, fa dia tena hoe : nisongadina hono ny fitsidihan’ny Filoha Frantsay teto, ary fanomezana ainga vao ny fiaraha-miasa eo amin’ny Firenena roa tonta. Noraisina ho porofo ireo fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavina taorian'ny fihaonana arak'asa manokana teo amin'ny delegasiona frantsay sy malagasy izay niompana tamin'ny sehatra marolafy toy angovo, ny fanabeazana, ny fanovana ny fambolena, ny fotodrafitrasa sy ny toekarena,… Dia tena afaka manantena an’izany ve ny Malagasy ? Firifiry izay sonia sy fampanantenana natao izay fa nitondra nankaiza ? Sao mba ny politikan’ny domina tapany handoa erany sy endrika ivelany fotsiny ihany ireny fa fanavaozana ny ambara fa fifanaraham-piaraha-miasa misy mizana tsindrian’ila indray no niainga sy miainga any ? Toa mahalasa saina ihany mantsy ireny fanambarana an-karihary fa te ho mpiara-miombon’antoka amin’ny harena stratejika eto. Dia tsy manan-kambo ve ny Fitondrana ankehitriny eo anatrehan’ny fanebahana miharihary hoe : ny fahantranareo mahatratra 80% no tokony hiadian-kevitra fa tsy ny resaka mikitikitika ny fiandrianam-pirenena ? Dia mbola manantena vahiny ho mesia hanavotra ny olan’ny Malagasy toy ny resaka angovo sy tsy fanjarian-tsakafo ? Dia mbola manantena fa mino ny serasera lazain’ny mpitondra amin’ny fanamafisana ny fitakiana ireo Nosy Malagasy ny valalabemandry ? Ny fitantanana tsy mandeha amin’ny laoniny, ny manam-pahaizana Malagasy tsy omena sehatra fa ny vahiny sy ny kiakamakama ary ny bizin’olom-bitsy no manjaka, ny fitantanana Firenena toa efa lasa mitady haka endrika raharaham-pianankaviana eto ka hatrany ivelany, ny vahoaka miha fadiranovana kanefa lazaina fa faly na ao anaty fahantrana aza,… Efa tena mandranitra sy manabado vahoaka e ! Fandrosoana inona no ho antenaina amin’izany ? Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT