Hafa ny resaka sy ny serasera mipoapoaka ary hafa ny asa sy fikaroham-bahaolana ho an’ny firenena.
Tsy adala akory ireo mpitondra nifanesy teo aloha na tena dondrona sy kentrina, fa ingahy Andry Rajoelina no faratampon’ny fahalalana sy fahaizana mitondra firenena. Tsaroana ilay teny milaza fa izay tsy vita sy tsy nataon’ireo teo alohany tao anatin’ny 58 taona dia hataony avokoa. Rehefa mandeha ny andro dia tsy arakaraka ny vava be no miseho satria hita taratra fa mahay manafana lanonana na “ambianceur” sy mpanentana lanonana mahay na “Master of ceremony” izy, ka mbola heveriny ho toy izany angamba ny fitantanana firenena. Resaka re izao, serasera re izao, fampanantenana re izao,… saingy indrisy fa tsy tena arakarak’izay ny zava-miseho. Takonana amin’ny resaka matavy sy serasera mipoapoaka ny endrika tsy fahombiazana. Toa hita taratra hatrany eto amintsika ilay lalan-tsaina hitan’ilay mpandinika Amerikanina Noam Chomsky, dia ny “Les 10 stratégies de manupilation de masse” na ny paikady folo hoenti-mibaiko sy mandrebireby ny olona amin’izay tiana hanaovana azy. Tarihina ny sain’ny olona hivadika sy hisaina toe-javatra na lohahevitra iray mba hanakonana ny tena zava-misy sy ny olana, famoronana olana sy mody famoahana vahaolana avy eo hakana doka toy ny famotehana tamin’ny 2009 kanefa ny ambara fa fanarenana tsy tena hita fa sehoseho no betsaka, fanasokajiana sy fitaizana ny daholobe ho toy ny zazakely tsy mahalala na inona na inona, ka hatao amin’izay tiana hanaovana azy,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.