Edito

Mamy ny seza


  • Alakamisy 31 Mey 2018

Tsy fantatra na mbola te haka tsirony faramparany na mitady teti-panorona sadasada hanitarana ny fotoam-piasana fa dia tsy re tsaika sy tsy hita veroka ny mbola hanova ny firafiny ho any amin’ny marimaritra ihany hatramin’izao ny fitondram-panjakana.

Ny tsy miafina aloha, na nanambara im-betsaka aza ny sasantsasany amin’ireo mpikamban’ny governemanta fa tsy olana amin’izy ireo ny halana amin’ny toerany, raha izay no mahasoa ny firenena, dia hita ihany fa mamy ho azy rehetra ny seza. Nahagaga ny nahita sy nandre ireo mpisolovavan’ny filoham-pirenena nijaingijaingy tetsy amin’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana ihany omaly hanao « fangatahana » vaovao. Tsy azon’ireo efa nigalabona nandritry ny fotoana naharitra tao an-dapa ireo ihany ve fa miha sahirana ny fokonolona ? Tsy satriny akory ny hidina an-dalambe fa tonga amin’ilay tononkira hoe « Tsy fidiny ho azy ny ho tonga amin’io toerana io ». Aiza ilay hoe tsy mahantra olomanga ny firenena ? Sa mbola satrin’ny HVM sy ny ekipany hatrany ny hametraka ireo akamakama efa nahabe resaka sy nampiahiahy ny maro hatramin’izay ka ho resaka fotsiny indray ity marimaritra iraisana ity ? Na aiza na aiza eto ambonin’ny tany tsy misy olo-marina ary tsy ho diso na oviana ny filazana fa mahantra olo-marina i Madagasikara. Na izany aza, azo antoka fa tsy maintsy misy olomanga mbola mataho-tody any ho any.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT