Edito

Mampivarahontsana sy maha ontsa


  • Talata 25 Aprily 2023

Rehefa mijery an’ilay firenena amin’ny ankapobeny ianao amin’izao fotoana izao, mandinika ny zava-misy eny anaty fiarahamonina eny dia mivarahontsana tanteraka.

Izao vanim-potoana izao ilay tena maha loabava hoe «Ontsa anao aho ry fireneko!». Izany no tena hoe izay tranga hitanao manerana ny alehanao eny dia saika maha ontsa avokoa. Ketraka ianao nahita fotsiny izao omaly hoe ramatoa be efa nahazoazo taona no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka satria tratra nangalatra akoho! Ho ana olombelona manam-panahy, ny nahita hoe tovolahy avy nangalatra katsaka dia maty novonoin’olona na koa hoe raiamandreny, lehilahy lehibe efa nahazo taona no voadaroka koa satria tratra nangalatra mangahazo, dia tena mankarary ny ainy ny maheno sy mahita tranga toy izany ary isan’ny tranga efa matetika misy mitatitra eny amin’ny filazam-baovao samihafa eny nefa izany izao amin’izao vaninandro iainantsika izao eto amin’ity Madagasikara lazaina fa tompon’ny fihavanana ity. Maika moa fa maheno hoe ramatoa, efa antitra, tratra nangalatra akoho, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka… dia tena hoe mangovitra hatramin’ny tanana hanoratra an’ity matoan-dahatsoratra ity mihitsy mieritreritra sy ketraka misaina lalina hoe izany ve izany sisa no lanjan-tsaina heverina hifandovana eto amin’ity firenena ity? Tena hoe mampivarahontsana sy maha ontsa ilay zava-misy ary raha heno tany amin’ny taona 2017-2018 tany ohatra ny karazana anarana fikambanana ohatran’ny hoe hafahafa amin’ny sofina mihaino tahaka ny hoe «Ampy izay» dia ohatry ny te hiomehy izany ianao tamin’ny voalohany no sady te hiteny hoe «Inona koa ary ity?» na hoe «Sao dia efa hitapy ary ireto?» saingy rehefa mijery ilay odidim-piainan’ny vahoaka maro an’isa ianao manoloana ilay tsy fahandriampahalemana mirongatra na vidim-piainana diso midangana dia hita hoe rariny raha izany no lazaina amin’izao fotoana izao. Ampy izay! Ohatrany rariny ihany kay raha misy fikambanana andeha hitonona amina anarana heverintsika fa kisampotsampona hoe «Gasy leo». Tsy ho gaga isika rahampitso sy rahafakampitso raha mety aheno anarana fikambanana kihafahafa vaovao indray toy ny hoe «Gasy te hitsoaka», sanatrian’izany, hitenenana amin’ny fomba hafa ny fitenin’ny tanora fotsiny hoe «Aoka izay fa tsy milay intsony ilay revy eto amin’ny tanana!».
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT