Mampivarahontsana

Mampivarahontsana ny fiainam-pirenena ankehitriny !


  • Alarobia 22 Novambra 2023

Tsy finiavana hitanisa ny zavatra miiba, fa tena hoentina any amin’ny kolontsaina fampanjakana ny

didin’ny be sandry sy ny barofo isika. Volena ny kolontsain’ny lehibe tsy mba meloka, ny tsy maty manota, ny didiko fe lehibe, ny fanapepoana mba hanaiky ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana,… Tena efa tsy misy tahotra sy henatra intsony ny fanehoana an-karihary fa na manao zavatra tsy mety sy tsy ara-drariny aza, dia malalaka sy afaka mbola mandranitra aza fa tompon’ny fahefana sy ambony lalàna. Sady efa manao ny tsy mety no mbola mandranitra vahoaka ihany ny mpanao politika sy ny mpitondra sasany, izay tena miteny ankolaka hoe : afaka ny haninona eo anefa ianareo eo anatrehan’ny fahefana sy ny vola anananay ? Efa tena mitady lasa mahafaobe ity fanaovana gisalahy mangala-ketsa ity ka ny efa manao ny tsy mety indray no avo vava. Izao ve no mbola hotohizana 5 taona ? Mbola homena vahana hatrany tsimatimanota ka samy hanao izay reviny ara-bakiteny amin’ny fangoronana ny harem-pirenena sy ny kolikoly avo lenta ? Raha ny tantara teto, tsy mbola nisy volamena tao anaty biraom-panjakana nivadika korotam-by izany, tsy mbola nisy olom-boafidy tratra nampiasa anarana andrim-panjakana amin’ny aferan-kazo,… Efa ireny no mitranga, kanefa dia mbola miampy hetraketraka sy sotasota politika samihafa. Taiza teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no mbola nisy an’izany hoe: voarara ny fiaraha-manatitra voninkazo ho fanomezam-boninahitra olona nanana ny lazany teto amin’ny firenena ? Tena mampivarahontsana ny zava-misy sy miseho eto Madagasikara ka anjaran’ny tsirairay no mandinin-tena sy mamakafaka sy mandray ny andraikitra amin’ny maha olom-pirenena !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT