Mampitafy henatra !

Sanatria toa tsy mba misy endrika sy laza tsaran’i Madagasikara


  • Alakamisy 20 Febroary 2025

miako fa takon’ireo faharatsiana sy tsy fahombiazana samihafa.

Saron’ny fanarontsaronana fahantrana, fanadiovan-tenan’ny mpitondra, tsy fahombiazana amin’ny endriny maro,… Ezahana lalaovina amin’ny serasera samihafa rehefa makany ivelany, ary tena havanana amin’ny fanomezana lesona ireo mpitondra eran-tany ny mpitondra antsika, tahaka ny efa paradisa kely i Madagasikara rehefa mandeha ny kabary,… Eny tena mandeha hatramin’ny hoe : mizara fahaiza-manao momba ny haitarika na « leadership » ny mpitondra antsika rehefa any ivelany fa voalohany aty Afrika amin’ny fahaiza-mitarika hono e ! Asa re izay endri-pifidianana tany, asa re hoe : iza no nandatsa-bato tany, asa re na fifidianana mba tena notarafina tamin’ny zava-misy na sarintsarim-pifidianana tahaka ny fahita an-tanàna,… Dia tena tahaka izao ve no tokony ho endrika sy fandrosoan’ny Firenena tantanan’ny mpitantana mahay indrindra aty Afrika ? Mampirehareha ve sa kosa mampitafy henatra ny Malagasy izao fahantram-bahoaka sy fahasahiranana mandifotr’olona izao ? Tena mampanongo tena ny zava-misy eto, ary tsy maniry loza ho an’ny Firenena fa mbola mampanahy bebe kokoa ny ho avy. Ny mpitondra mety milamin-tsaina amin’ny tombotsoa sy vola tsy toko tsy forohana igalabonany fa ny vahoaka maro an’isa mba ho aiza eo anatrehan’ny fahatapahan’ireo tetikasa sy famatsiam-bola sitrahana avy amin’ireo firenen-dehibe sy ny rantsa-mangaikany ? Moa mba efa manana politika mazava hiatrehana an’izany ve isika raha tsy hilaza afatsy ny ara-pahasalamana, ny rano fisotro madio, ny tohana ara-pambolena, ny ara-tontolo iainana,… Mba manana lasitra ara-toekerana mahomby ialana amin’ny fiankinan-doha manoloana ny tsio-drivotra iraisam-pirenena ve ka hitohy amin’ny politikan’ny seserara sy fakana sary tsy mamokatra isaky ny mivoaka any ivelany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT