Adihevitra hatrany am-piandohana ny momba ny fifehezana ny fidiran’ny valanaretina coronavirus, ka nivoahan’ny resaka fanakatonana sisin-tany na fampitsaharana ny sidina avy any Eoropa.
Nandeha ny vava isan-karazany avy amin’ny olom-panjakana, toy ny hoe: tsy maharesy ny pesta sy ny kôlera io, tsy mafy noho ny krizy 2002 izao,… satria moa avy amin’ny mpanohitra no nivoaka ny soso-kevitra. Natao litania ny fatiantoka ara-toekarena, saingy ny fanjakana ihany avy eo no nanapa-kevitra fa hamehana ara-pahasalamana isika izao, ka ampandeferina ny toekarena. Nomena toky fa efa manampy sy miara-dàlana amintsika ny sampan-draharaha iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana fa efa mivonona amin’ny zava-drehetra, ary hanampy ara-bola, tsy tokony hidiana hahantona izany ny fidiran’ny vahiny teto Madagasikara. Nisy rahateo ny lelavola nomena an’i Madagasikara. Ny Filoham-pirenena milaza fa mahazo doka namin’ny vahiny mihitsy amin’ny fandraisana andraikitra sy ny fisorohana ny fipariahan’ny valan’aretina. Nanambara fa miantso azy hatramin’ny filoham-pirenena Afrikanina: ahoana ny fomba hifehezana ny coronavirus? Dia inona izany ity resaka mandeha voalaza fa avy amin’ny OMS maneho fa tombanana ho 2 tapitrisa ny Malagasy ho voa. Misy rahateo ny tohana ara-bola avy amin’io rafitra io. Toa misy hatrany ny fifanoheran-kevitra sy zavatra toa tsy mazava intsony, ka miroaroa saina sy tsy mandry intsony ny saim-bahoaka. Tsaroana ny filoha nampiaka-peo sy namadika izany ho politika, raha nisy ny fanontaniana momba ny loharanom-bola nihavian’ny fiara tsy mataho-dàlana maro be sy maro hafa. Inona indray izany ny setriny avy aminy manoloana ny kihana avy amin’ny Firaisamonim-pirenena tokony hazava hatrany amin’ny bitika indrindra ny fitantanana ara-bola ao anatin’izao raharaha izao? Afaka 72 ora farafahatarany, dia tokony hisy fanapahan-kevitra lehibe mamaritra ny tohin’ny raharaha, ka dia miandry am-pitoniana ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.