Edito

Mampiombona sa mampisara-bazana ?


  • Talata 23 Aogositra 2022

Izay atao miteraka adihevitra na “polémique” avokoa, ka isan’ny fositra ny fihezahana handoko ara-politika volomboasary izay hitsin’ny maso.

Miteraka tsy fitovian-kevitra io ny resaka fanomezana loko politika ho an’ny tanora katolika hiatrika zaikabe afaka andro vitsy. Kristianina tsy mandà fanomezana, hoy ny fitenenana. Teny feno fahendrena, valinteny diplaomatika no nasetrin’ny Mpitarika Raiamandreny eo anivon’ny fiangonana izay naneho fa: “Fanomezana toy ny fanomezana rehetra ilay misy resaka loko mampiady hevitra amin’izao fotoanAnjaran’ny mpanome no manome. Anjaran’ny mpandray no mandray”. Marina izany, tsy hanozongozona ny finoan’ny mpino ireny, manaja izay nambaran’ny Raiamandreny am-panahy, saingy tsy mahasakana ny adihevitra tsy handeha. Ny zava-misy dia tsy ny Fiangonana no mapiditra raharaha politika ao aminy, fa ny mpanao politika no te hiditra na hampiditra mivantana na hakolaka loko politika ao amin’ny Fiangonana. Ny zanaky ny Fiangonana na iza na iza tena mihorina am-pinoana mafy dia tsy ho voaloton’ny politika. Ny mpanao politika mpanolotra no tokony hisaintsaina sy handinika ary hanongo tena hoe: tena nitondra soa sa sanatria fampisavorovoroana ny mpino ity fihetsiny. Tena asa fanasaoavana sa politika avo lenta kanefa rehefa tena halalinina toa mitady hirefarefa? Mba afaka handinin-tena ihany ve anefa? “Anjaran'ny mpanome ny manome, fa afaka misafidy tsara kosa ny mpandray, ary tsy vitan'ny hoe handray na tsy handray fotsiny, fa tokony tiliana tsara koa na mahasoa na tsy mahasoa”, hoy ny olom-pirenena. “Tsy voatery ho TGV-MAPAR avokoa anefa ny olona te handeha any, ary miharihary hatrany fa mikorontana hatramin’ny fiangonana rehefa tafiditry ny politika hoe: hiavaka eo ny mandray sy ny tsy mandray, kanefa firaisam-pinoana no anton-dia fa tsy fampisarahana”, hoy ny hafa. Raha samy tsy handray daholo na samy handray daholo mety ho tsy amin’ny fo aman’eritreritra. Resaka vavaka no haleha any fa tsy propagandy, fahadiovam-po fa tsy fanasaratsarahana ara-politika,… Hatramin’izay tsy nisy resabe tahaka izao, hatramin’izay nirindra sy nilamina, fa amin’izao fitondrana volomboasary izao no miseho ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy ondrin’Andriamanitra dia mbola holazaina ihany ve fa fialonanana sy finiavana hisintona lakolosy?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT