Edito

Mampiomana


  • Talata 11 Mey 2010


Hanapa-kevitra ny Vondrona eoropeanina ato ho ato, fanapahan-kevitra izay tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara sy ireo tetikasa momba ny fampandrosoana eto amin’ny Nosy. Izany no nambaran’ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina eto amintsika i Leonidas Tezapsidis, omaly, nandritra ny “Andron’i Eorôpa”. Nambarany anefa fa vonona hatrany hanampy ny Malagasy amin’ny fikarohana vahaolana amin’ny krizy sy ny fanamarinan-toerana ny politika, ny Vondrona eoropeanina. Tahaka ireo firenena sy fikambanana iraisam-pirenena maro dia tsy mankasitraka ny tetezamita tatanan’ankolafy tokana toy misy eto Madagasikara amin’izao fotoana ny Vondrona eorôpeanina, ary mitaky hatrany ny hanatanterahana ny fifanarahana iraisam-pirenena izay efa nosoniavin’ireo filohan’ny ankolafy efatra, dia ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba izany ka na manana endrika inona na ovaovaina isaky ny herinandro aza ny governemanta hijoro eto, rehefa tsy eken’ny ankolafy rehetra ary mivaona amin’ny satan’i Maputo dia tsy hanampy sy hanohana an’i Madagasikara mihitsy ny Vondrona eorôpeanina fa vao mainka aza hanamafy ny sazy.

Marihina fa anisan’ny mpamatsy vola be indrindra eto Madagasikara ny Vondrona eorôpeanina, indrindra fa eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana isam-paritra. Dinihana any Bruxelles nanomboka ny alahady lasa teo ary mbola mitohy amin’ity anio ity ny antontan-taratasy Madagasikara, izany hoe ny momba ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan’ny Vondrona eorôpeanina amintsika ka raha ny fahitana ny lahatenin’ny masoivohon’ity vondrona ity, omaly dia toa efa mampiomana sahady ny rehetra fa hanamafy ny sazy efa neritreretiny ampiharina amin’i Madagasikara izy ireo ary tsy hiverin-dalana intsony, satria miziriziry hitantana ny tetezamita samirery ary tsy miraharaha ny fifanarahana iraisam-pirenena nosoniaviny i Andry Rajoelina.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT