Edito

Mampihorohoro vahoaka


  • Zoma 24 Aogositra 2012

Tsy honohono intsony na angano fa tena zava-misy marina ilay hoe ny mpitandro ny filaminana natao hiaro ny vahoaka indray ity no mampiorohoro azy.

 Raha araka ny vaovao voaray avy any amin’ny kaominin’Iakora mantsy dia mitaky vola 2 tapitrisa ariary isaky ny faritra andalovan’ireo andiana mpitandro ny filaminana. Voalaza fa ny sefom-pokontany no teren’izy ireo hanangona io vola io. Mihorohoro tanteraka ny mponina any amin’iny faritr’ Iakora iny satria sady manao ny ataony ny dahalo no mbola manampatra ny fahefany hanaovana ramatahora ihany koa ireo mpitandro ny filaminana. Fantatra fa efa nisy ny tatitra nataon’ny faritra Ihorombe momba ity tranga mampalahelo ity, ary toa efa nisy ihany ny olona voasazy, saingy natao mangingina moa ny zava-drehetra kinanjo izao niseho masoandro izao ihany ny farany. Voalaza fa misy sefom-pokontany vonona ny hijoro vavolombelona amin’ity raharaha ity. Izay ilay efa nambara teto foana hatramin’izay fa fanovana inona marina no tena nentina teto tamin’ny 2009 ? Ny raharaha politika tsy mety milamina, ny lafiny sosialy efa tena miha ratsy isan’andro, mitombo isa ny malagasy mahantra, nirongatra tampoka teo indray ny asan-dahalo ary na ny mitandro ny filaminana aza izany dia manao ny fomban’ny malaso ihany koa.

Eto Antananarivo, tsy hoe any ambanivohitra lavitra be, dia ahitana vaky fasana koa, tahaka ny nitranga teny Ambohimarina ao anatin’ny kaominina Ambavahaditokana ny alahady lasa teo. Manoloana izany rehetra izany dia niaiky ny lehiben’ny zandarimariam-pirenena fa sahirana amin’ny fitandroana ny filaminana izy ireo ary mangataka fiaraha-miasa amin’ny olon-tsotra ; ka ahoana moa no hampirindra ny fiaraha-miasa raha toa ka manao ramatahora sy maka vola amin’ny fokonolona isaky izay faritra andalovan’izy ireo satria hoe mitandro ny filaminana ? Tezitra ery izy ireo rehefa misy miteny hoe tsy mahavita ny asanareo ianareo, koa tokony ahena ny karamanareo na tsy omena mihitsy aloha kanefa dia izao iaraha-mahita izao ny adalana ataon’ny mpitandro ny filaminana, tsy hoe izy rehetra kosa aloha fa ny ampahany.

Ela loatra ny fandraisan’andraikitr’ireo lehibe, na misy lehibe manao ny ataony koa, hany ka tsy mahateny ny miaramila eo ambany fahefany intsony..Raha izay no fitrangany dia tsy hiloa-bava ireo olona any amin’ny faritra Atsimo ary tsy hisy hiteny na hanome vaovao momba an-dRemenabila na dia mety misy mahalala zavatra aza. Dia tampina ny daomy satria ny mpitandro ny filaminana dia efa nivaky fa tsy tena mbola fantatra mazava ny endri-dRemenabila fa tsy maintsy ny olona efa nihaona ny nifanerasera taminy ihany no mahalala azy. Mety tsy hiteny anefa ireto farany noho ny fahasosorany tamin’ny fihetsik’ireo mpitandro ny filaminana mitaky vola taminy. Mailaka ery ireo be galona ao amin’ny foloalindahy rehefa hanakana ny fodian’i Marc Ravalomanana saingy tsy hita akory izay apoakany manoloana an-dry Remenabila sy ny hadalana ataon’ireo miaramilany nalefa hampandry fahalemana, kanefa dia lasa mampihorohoro vahoaka !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT