Voizin’ny fanjakana indray ankehitriny ny filazana fa efa miroso amin’ny tany tan-dalŕna i Madagasikara taorin’ny fampidirana am-ponja ny Tale kabinetran’ny Minisiteran’ny serasera Nivo Ratiarison noho ny resaka fanodikodinam-bola.
Hambara fa rehefa manao ny tsy mety na iza na iza dia hampiharana lalàna. Maro ny mahita fa mody nandray izao fepetra izao ny fanjakana mba hanakonana ny mikimaky nataon’ireo tompon’andraikitra ambony voakasika rehetra ka io olona iray no hatao sorona hibaby ny heloka niaraha-nanao. Ao ihany koa ny mahita fa làlana iray mizotra any amin’ny fandakana sy fametrahana olon-kafa hisolo ny toeran’ny Minisitra sy ny Tale kabinetrany ny zava-misy. Efa mandeha rahateo ny resaka amin’ny hametrahana ireo olona mpikarama an’ady politika eo anivon’ny Minisiteran’ny serasera. Raha tena fampiharana ny lalàna no misy eto dia efa maro ireo mpitondra ambony ankehitriny no nameno ny fonja, raha tsy hilaza afatsy ny resaka andramena nahavoantonontonona olona akaiky ny fitondrana sy manam-pahefana maro isika, izay efa nisy mihitsy ny nampandosirina any ivelany. Efa mandeha ihany koa ny resaka fa olona ambony ao amin’ny fitondrana no tompon’ilay volamena 24 kg tratra teny Ivato vao haingana saingy hodiana tsy jerena izany. Mampiesona amin’ny hoe mampihatra lalàna indray ny fanjakana kanefa mikimaky sy sarimehitsika ary politika maloto no betsaka.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.