Mampihanahana!! Mampihanahana!!

Tena mampihanahana amin’izao fotoana izao ny fivadiky ny toe-draharaha misy eto amin’ity firenena.


  • Alarobia 15 Mey 2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

toherin’ny fitondrana ankehitriny. Ny kandida nanohitra ny fitondrana indray no misy lasa tena hoe atolotry ny vondrona tarihin’ny fitondrana. Filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC teo aloha izay tena fatra-piaro ilay fitondrana nijoro ary nalaza mihitsy ny fehezantany fameriny ny taona 2018 hoe «Azo raisina fa tsy mitombina» no zary toy ireny olobe faran’izay hendry indrindra teto amin’ny firenena ireny ankehitriny. Toy ny hoe tsy nanana ampahana andraikitra na dia kely aza ka nahatonga ilay firenena ho lasa amin’izao toerana farany mahantra eran-tany izao fa dia manentana sy miangavy ny amin’ny mba hirosoana amin’ny ala faditra isam-poko no sady mampitandrina hoe tandremo fa misy minia manota fady eto amin’ity firenena ity! Tsy misy mpifahavalo mandrakizay moa eo amin’ny politika, hoy ny filoham-pirenena teo aloha iray izay. Azo raisina ho tsy diso izany fanehoan-kevitra izany saingy ny tantaram-pirenena nefa dia mitohy ary tsy maintsy miantraika amin’ny zava-misy ankehitriny ny zava-misy tany aloha tany. Inona moa no antony mahatonga ny mpitondra fivavahana sasany hilaza fa tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika raha tsy ny fitohizan’ny fiheveran’ny mpanao politika sasany sy ireo izay efa nametraka dian-tanana nampivarina ity firenena ity ho avy nandalo afo fandiovana fotsiny izao hatrany? Izay avy ivelan’ny fitondrana ka fatra-pitsikera ny fitantanana tsy mety ataon’ny mpitondra dia nangiana na lasa fatra-piaro ilay fitondrana sy nahavita niray petsapetsa tampoka tao indray rehefa nomena toerana ny ankamaroany. Rehefa very ny toerana dia miverina mitabataba indray sy toy ireny tsy nisy pentina ireny. Rahoviana ihany izany vao tena hisy mpanao politika na olompirenena tena hampiseho fitiavan-tanindrazana marina ka tena hitondrana na fara-faha ratsiny hitarika ny tena fanavotana ity firenena miha fara-idiny ity? Rahoviana no tena politika amin’ilay famaritana grika hoe fanasoavam-bahoaka sy firenena no hibahan-toerana eto fa tsy ho fikaramana an’ady politika na hoe «mercenariat politique» intsony?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT