Edito

Mampifandrafy ny samy sahirana


  • Sabotsy 13 Septambra 2014

Tsy mba anisan’ireo minisitra nanatrika ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’ny praiminisitra Kolo Roger teny Mahazoarivo omaly maraina ny minisitry ny fampianarana. Tsy misy mahalala ny tena anton’izay moa fa adihevitra fotsiny no natao, ka tao ireo nilaza fa tsy te hifanatrika amin’ny mpanao gazety ny minisitry ny fampianarana noho ny olan’ny mpampianatra FRAM

Tao koa ireo nahita fa efa tena mampiseho mazava ity minisitra ity fa tsy ankasitrahany ny lehiben’ny governemanta fa dia izay baikon’ny filoham-pirenena ihany no ataony, izy rahateo moa lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko HVM. Iny eo ihany fa ny tena mahavaka ny aina dia ny fahitana fa misy vondron’olona sy fikambanana mijoro ary manohitra ny fitakian’ny mpampianatra FRAM. Milaza fa solontenan’ny vahoaka na koa hoe mitsinjo ny vahoaka madinika sy ny tombontsoa iombonana ireo fikambanana ireo. Mamofompofona ambadika politika izany rehetra izany, dia sanatria ve ny samy efa sahirana no ampiadiana eto ? Iza moa no mahita tombontsoa amin’ny fitsaharan’ny fitakian’ny mpampianatra FRAM ? Tsy sanatria fanomezana rariny ny an-kilany na fanakianana be fahatany ny an-daniny fa mba tokony hialana kosa amin’izay ity paik’ady hafahafa mampifandrafy ny samy vahoaka ity e ! Hatreho mivantana ilay olana raha tena lehilahy fa aza ny valalabemandry no ampiadiana. Ary ny vahoaka koa tokony mba ho tonga saina fa tsy hanaiky atao fitaovana foana isaky ny mihetsika izao e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT