Edito

Mampiesona hatrany!


  • Alatsinainy 06 Novambra 2017

Aiza ihany ilay fampanantenana nambaran’ny mpitondra ankehitriny manoloana izao fahoriana mihoampampana mahazo ny Malagasy izao ?

Tafakatra 600ariary mahery ny kilaon’ny vary, manjaka ny tsy fandriampahalemana,… Tena talentan’ny fanjakana HVM izany hatramin’izay ka hatramin’izao, ary vao mainka aza hahazo laka ato ho ato. Vao nanao propagandy ny filoha dia nilaza fa telo volana monja dia mivaha ny delestazy, nilaza ny praiminisitra fa ao anatin’ny fotoana fohy dia hivoaka ny marina momba ny fahatrarana mpanondrana boaderozy tany Toamasina, fa hisy trondro vaventy hosamborina. Tazomy amin’ny tenikoa ho, hoy izy. Nilaza ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana, fa efa manafatra vary 7000 taonina isan-kerinandro eo ho eo isika ary efa misy ny vary 1400Ariary eo ho eo ny kilao. Tsena iray eto Iarivo no misy izany, ary ambaran’ny mponina fa vary ratsy kalitao. Tsy faly hanakiana, fa tratry ny hoe ny tsara tsy mba mora izany ny Malagasy vitsivitsy satria na ratsy aza, dia tsy ny rehetra no afaka hisitraka izany. Ampahany amin’ny fampanantenana sy sy fampiesonana ataon’ny mpitondra, izay toa efa lany henatra tanteraka sy tsy manome hasina ny vahoaka nametraka azy ireny. Mitohy ny fampiesonana ary vao mainka hitombo satria akaiky ny fifidianana e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT