Edito

Mampieritreritra ihany a !


  • Talata 13 Oktobra 2015

Namerimberina matetika ny maha zava-dehibe ny fanajana ny fitsipi-pifehezana na « discipline » Rtoa Lalao Ravalomanana, tsy vao izao fa efa nandritra ny propagandy.

 


Tsapany tsinona fa fototry ny fahombiazana izany, tsy teto Madagasikara ihany fa hatrany ivelany. Fa ankoatra io, zava-dehibe ny fahafantarana tsara ny andraikitry ny tena sy ny antom-pisiana ao amina orinasa na rafitra na fiarahamonina iray. Hafahafa ihany mantsy izany olona tsy mahafantatra ny zavatra miandry azy sy ny tsy maintsy ataony izany. Eto no mahalasa fisainana kely satria itrangan-javatra tena mahavalalanina ny resaka ady amin’ny dahalo eto amintsika. Efa hatrany min’ny taona 1980 no fantatra tsianjery ireo faritra mena amin’ny asan-dahalo, efa fantatra ny fomba fiasan’ireo dahalo ireo, fantatra fa tsy maintsy misy olona miray tsikombakomba aminy ao amin’izay tanàna hotafihana, fantatra fa misy ny dahalo ambony latabatra mpanadio ny bokin’omby, mpamatsy vola sy fitaovam-piadiana. Fa dia mbola mahavita mamono andiana miaramila ihany ny dahalo ankehitriny ary mahavita manafika tobina zandary. Ny elikopteran’ny tafika aza moa sahin’izy ireo notifirina. Inona no tsy handefasana vata miaramila an-jatony any amin’ireo faritra mena ? Efa ady no atrehana, nahoana no tsy ampisaina ny paikady nianaran’ireo jeneraly maro be ireo tany amin’ny « école de guerre » ? Toa kabary sy fampanantenana no betsaka fa ny hita aloha dia miha sahy hatrany ny dahalo, ary mitsoaka ny miaramila fa hoe vitsy an’isa, hono. Mampieritreritra a !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT